· Febroary, 2019

Tantara mikasika ny Azia Afovoany sy Kaokazy tamin'ny Febroary, 2019

Azerbaijan: Navotsotra ireo ‘bilaogera ampondra’

GV Mpisolovava  28 Febroary 2019

Navotsotra tamin'ny faran'ity herinandro ity ireo tanora mpikatroka bilaogy lahatsary ao Azerbaijan, repoblika sovietika teo aloha manankarenaika solika. Nogadraina tamin'ny 8 Jolay 2009 i Adnan Hajizade, mpiara-manorina ny OL! Youth Movement, sy Emin Milli, mpiara-nanorina ny Alumni Network (AN).

Kazakhstan: Mihitatra ny fanivanana bilaogy

GV Mpisolovava  17 Febroary 2019

Lasa lasibatra faharoa amin'ny hetsika fanakanana ao Kazakhstan taorian'ny LiveJournal ny bilaogy ao amin'ny mail.ru - vavahadin-tserasera Rosiana malaza ahitana vaovao, fialamboly ary mailaka. Ho an'ny bilaogy ihany ny fandavana fidirana avy amin'ny tolotra fifandraisandavitra nasionaly, mandeha tsara kosa ny tolotra hafa ao amin'ny vavahadin-tserasera.

Azerbaijan: ilay Toerana Fivahinianana “Death Star”

  07 Febroary 2019

Raha jerena indray mipi-maso ity toerana fivahinianana ity dia toa mahavariana sy mitodika sahady amin'ny hoavy, misy fitoviana be amin'ilay Death Star hita anatin'ny Star Wars. Mahagaga anefa fa tsy any Las Vegas na koa any Dubai no hatsangana izy io, fa kasaina aorina any Baku, renivohitry ny Repoblikan'i Azerbaijan.

Azerbaijan: Tsy afaka nidirana ny tranonkala nanohanana ny mpikatroka  

GV Mpisolovava  07 Febroary 2019

Araka ny tatitra avy amin'ny Önər Blog, handinika indray ny raharahan'i Emin Milli sy Adnan Hajizade ny Fitsarana Avo ao Baku. Voadaroka sy voasambotra ary voaheloka ireo bilaogera sady mpikatroka tanora roa ireo .Ny omalin'iny anefa dia tsy nisokatra ny iray tamin'ireo vohikala izay noforonina ho fiarovana azy ireo .