· Avrily, 2019

Tantara mikasika ny Azia Afovoany sy Kaokazy tamin'ny Avrily, 2019

Kazakhstan: Miresaka momba ny toekarena ireo bilaogera nosakanana

  20 Avrily 2019

Na dia mbola tsy azo hidirana amin'ny alalan'ny telecom nasionaly mpanao ampihimamba Kazakhtelecom aza ny LiveJournal, sehatra famahanam-bilaogy lehibe ao amin'ny sehatra post-Sovietika, anisan'izany i Kazakhstan, dia mbola mahita fomba hanehoana ny heviny an-tserasera ny mpientanentana amin'ny aterineto.

Ozbekistana: Ireo Fiovàna Tsy Niriana

  15 Avrily 2019

Taorian'ny faharavàn'ny URSS, nitsahatra tsy nisy intsony ny mari-pamantarana sy ny ideolojia kaominista sovietika ary niatrika olana miezinezina momba ny famaritana maripamantarana azy vaovao sy ara-ideolojika ireo firenena vaovao.

Nitory ny lehiben'ny repoblikan'i Sakha (Rosia) ireo mpikatroka zon'olombelona ao Moskoa noho ny fandraràna ireo mpifindra monina

Tsy maintsy hiady amin'ny fihetsik'i Yasen Nikolayev amin'ny antony ara-dalàna manokana ireo mpikatroka zon'olombelona Rosiana tahaka ny "The Land Without Racism and Xenophobia" (Ny tany tsy misy fanavakavaham-bolon-koditra sy fankahalana vahiny), milaza fa tsy ilaina ny fifehezana ny tsenan'ny mpiasa eo an-toerana any Yakutia.

PangeaDay: Ireo Lahatsary Hanovàna Izao Tontolo Izao Rehefa 10 May

10 may 2008 tamin'ny 6ora hariva GMT, lahatsary 24 no nalefa nandritra ny hetsika PangeaDay, avy aminà faritra enina, ary amin'ny fiteny fito samihafa eto an-tany, ho hita avy amin'ny Aterineto, fahitalavitra na finday, ka tokana ny tanjona : hahafantarana ny fiainan'ny hafa, hifantohana amin'izay mampitovy antsika, fa tsy izay mampiavaka,hiasàna ho an'ny fandriampahalemana.