· Avrily, 2010

Tantara mikasika ny Azia Afovoany sy Kaokazy tamin'ny Avrily, 2010

Kaokazy : fampivoarana ny fiainana ara-tsosialy

  26 Avrily 2010

Na dia mbola mihisatra aza ny fidiran’ny internet any Atsimon'ny Caucase, ny fambara rehetra dia maneho fa ireo haino aman-jerim-baovao sy ara-sosialy dia mitana andraikitra lehibe eo amin'ny tontolon'ny fampivelarana ny demokrasia sy ny hafanam-po any an-toerana. Miaraka amin'izany fijery izany ao an-tsaina, ny Open Society Georgia Foundation (OSGF), ny Georgian Institute of Public Affairs (GIPA) sy ireo mpanome tànana hafa dia nikarakara ny Fihaonana voalohany ho an'ny Fanavaozana ara-Sosialy ao Tbilissi, any Georgie ny 8-10 Aprily, hetsika izay hokarakaraina midanindran-dàlana amin'ny fihaonambe momba ny Haino aman-jery ara-Sosialy ho an’ny Fanovana Sosialy.

Kirzistan: Taorian'ny fihetseham-bahoaka tany

  24 Avrily 2010

Tamin'ny herinandro lasa teo dia nifantoka tanteraka tamin'ny tranga politika tany amin'ity repoblika any Azia Afovoany ity ny bilaogy Kirzistana. Manerana ny firenena manontolo dia nisy ny fahatsiarovana ireo namoy ny ainy tamin'ny fifandonana teo amin'ny fitondrana sy ny mpanohitra nitranga ny 7 sy 8 aprily lasa teo. Sergei Vysotsky, ilay...

Kazakhstan: Adihevitra mikasika ny vokatry ny lalao olaimpika

  06 Avrily 2010

Somary tsotsotra ihany ny fahaiza-manaon'i Kazakhstan tamin'ny lalaon'ny ririnina  Vancouver noho ny medaly vola fotsy iray mba azon'i Elena Krustaleva tamin'ny biathlon 15km-n'ny vehivavy. Avy any Rosia i Elena ary nihazakazaka ho an'i Rosia foana nefa  dia araka ny miseho dia novidian'i Kazakhstan izy ary  dia nisy vokany izany, hoy...