Tantara mikasika ny Azia Afovoany sy Kaokazy tamin'ny Janoary, 2011
Afghanistan: Hetsi-panoherana tao Kabul manohitra ny governemanta Iraniana
Nanao fihetsiketsehana teo ivelan'ny masoivoho Iraniana tao Kabul ireo Afgana mpanohitra tamin'ny Alakamisy, Afghanistan manohitra ny antsojay mahazo ny Afgana mpifindra monina sy mpialokaloka any Iran, ary koa manohitra ny ankivy ara-tsolika avy any Iran mahazo an'i Afghanistan amin'izao fotoana izao.
Zeorzia: Polisy noroahina taorian'ny nahafantarana azy tamin'ny Facebook
Taorian'ny hery tafaohatra nataon'ny polisy hanimbana ny fihetsiketsehana tany Tbilisi, Zeorzia, maro ny mpampiasa Facebook no nampiasa ny tranonkala hamantarana ireo tompon'andraikitra.
Kazakhstan: Miresaka Finoana ny Mpitoraka Bilaogy
Satria i Kazakhstan tsy manana politika mazava amin'ny resaka ara-pinoana, dia lasa toy ny fanao ny hoe afaka manome ny famaritany manokana ny resaka finoana ny olona tsirairay. Tahaka ny tamin'ny roapolo taona lasa, tsy dia nampihontsona ny rehetra loatra ny fisian'izany hamaroam-pijery izany, izay navoitran'ny adihevitra momba ny finoana...
Azerbaijan: nampidirina any an-tsekoly ny fandraràna ny Hijab (voaly fitondran'ny silamo)
Tamin'ny herinandro lasa dia an-jatony ny mpanao fihetsiketsehana nifamory nanoloana ny Ministeran'ny Fampianarana tao Baku, Azerbaijan, naneho ny hatezerany manohitra ny fepetra vaovao mandràra ny fisalobonana hijab any an-tsekoly. Mihetsika ireo mpitoraka bilaogy.