· Janoary, 2008

Tantara mikasika ny Azia Afovoany sy Kaokazy tamin'ny Janoary, 2008

Armenia: Bolongana amin'ny tenin'ny teratany (indizeny)

  30 Janoary 2008

Raha saiky amin'ny teny anglisy na rosiana avokoa ny ankamaroan'ny bolongana miresaka na nosoratana Armeniana dia hafaliana tsy omby tratra kosa ny an'i The Armenian Observer raha nahatsikaritra fa na dia mandeha tsikelikely aza dia hita tsara ny fitomboan'ireo bolongana mivoaka amin'ny teny Armeniana. Mamporisika ary Observer hijery ny fahatsarany...

UK: Fanimbazimbana ny tsangambatom-pahatsiarovana fandripahana, noankotrihina

  29 Janoary 2008

Blogian no namoaka sary ahitana ny tsangambato najoro tany Bretainina lehibe tao Cardiff izay nisy nanimbazimba omaly. Tamin'ny fotoana hanomanana indrindra ny andro manokana ahatsiarovana ny fandripahana sy ho fanajana ilay mpanao gazety sy tonian-dahatsoratra Tiorka-Armeniana Hrant Dink nisy namono herintaona lasa izay tamin'ity volana ity tany Istanbul no nisy...

UK: mahamenatra

  29 Janoary 2008

Blogrel no manome ny heviny mikasika ilay fanimbazimbana nisy nanao omaly tany an-tanànan'i Cardiff tamin'ny mariky ny hazofijaliana najoro ho fahatsiarovana ireo Armeniana naripaka tamin'ny fotoan'androny. Nolazain'ny mpamaham-bolongana ary fa mahamenatra sady manamarika ny tsy fahatantesana ny fisian'ny Andro Fahatsiarovana ny Fandripahana nanjo ny Armeniana ary manantena izy mba tsy ho ny...

Kyrgyzstan: Mpanjaitra navoaka avy tamin'ny maizina

  28 Janoary 2008

Genderstan no manely ny hazavana azon'ny vehivavy any Kyrgyzstan toy ny voatsindry hazo lena (teo aloha). Tsy mitsahatry ny manjaitra andro aman'alina anaty toerana kely feno milina fanjairana sy vahoaka be ka amidy dolara roa ny singan'akanjo mora vita iray.

Afghanistan : Tetiky Bush tsy mahomby

  26 Janoary 2008

Notaterin’i Bipasha Ray ary ny filazan’ny Masoivoho tao amin’ny Firenena Mikambana taloha Richard Holbrooke ny politikam-pandanian’ny fitondram-panjakan’i Bush any Afghanistan mahatratra $1 000 000 000 isan-taona “ho praograma tsy nisy fiantraikany indrindra tamin’ny politika ivelany amin’ny tantaran’i Etazonia ”.

Kazakhstana : Mpanao gazety Alemàna nisy nanafika tany Astana

  23 Janoary 2008

Ben no mitatitra fa ny mpanao gazety Alemàna Marcus Bensmann dia naratra mafy rehefa avy notafihin'olona tany Astana, renivohitry Kazakhstana : Marcus Bensmann has made his name in the wake of the Andijan tragedy in Uzbekistan in 2005. He was one of the few journalists to witness the scenes on...

Armenia/Torkia: Fahatsiarovana an'i Hrant Dink

  19 Janoary 2008

Androany ny tsingerintaona voalohany namonoana tany Istambul any Torkia ilay tonian'ny fanaovan-gazety Armeniana sady mpanao gazety rahateo Hrant Dink. Marilisa Lorusso's blog no nahatsiaro ity mpanao gazety ity ka nanokana lahatsoratra ho azy.(voasoratra ao ary fa nifidy ny hipetraka tany Torkia ny lehilahy ho fanajana ireo olona an'arivony nanohana azy noho...

Afghanistan: ny tsimok'aretin'i Rambo

  17 Janoary 2008

Abu Muqawama no nitati-baovao momba ny“the Rambo Syndrom” na ny tsimok'aretin'i Rambô.Nosoratan'ny mpamaham-bolongana ary fa ny gazety New York Times no namoaka lahatsoratra mitanisa ny herisetra maro ataon'ireo menavazan'ny ady tany Iràka sy Afghanistan.

Afghanistan: Mpitarika Taliban noafahana sy nihavanana

  15 Janoary 2008

Mohammad Fahim Khairy no manoratra fa maro tamin'ny mpitarika faratampon'ny Taliban noafahana avy any am-ponja hatramin'ny taona 2002 ho eo ambany fiarovan'ny governemanta Afghan no nandeha nankany amin'ny Al Qaeda na hita any amin'ny sehatra maro ao anatin'ny governemanta ankehitriny.