· Mey, 2011

Tantara mikasika ny Azia Afovoany sy Kaokazy tamin'ny Mey, 2011

Teknolojia ho amin'ny fangaraharana: Tatitra farany

  26 Mey 2011

Faly ny Tambajotran'ny teknolojian'ny fangaraharana fa mivoaka izao ny tatitra farany , Sarintanin'izao tontolo izao momba ny fampiasana ny teknolojian'ny fangaraharana sy ny asa madio. Vao navoakan'ny Transparency and Accountability Initiative (@TAInitiative) miaraka amin'ny tatitra am-polony hafa momba ny hetsika fampangaraharana asa manerana izao tontolo izao izy io. Mifototra amin'ny...

Kazakhstan: Terantany avy any Kazakhstan nivoaka tamin'ny vaovao maneran-tany – nosamborina ny anankiray, ny iray hafa nisy namono

  19 Mey 2011

Terantany avy any Kazakhstan anankiroa no nivoaka tamin'ny vaovao iraisam-pirenena tamin'ny herinandro lasa teo, nampalahelo avokoa ny nanjo azy roalahy. Ny voalohany, Valeriy Tolmachev, mpanolon-tsaina ao amin'ny UNESCO any Kazakhstan, nanafika mpanamory fiaramanidina iray tamin'ny antsy nandritra ny dia Paris-Rome ary nandidy ity farany hamily ny dia ho any Lybie. Voafehin'ny...

Azerbaijan: Tanora Mafàna Fo Voaheloka

GV Mpisolovava  10 Mey 2011

Jabbar Savalan, tanora 20 taona, mafana fo amin'ny fanoherana, voasambotra tao Azerbaijan tamin'ny 5 Febroary, dia voampanga hifonja roa taona sy tapany noho ny fihazonana zava-mahadomelina. Na izany aza, ireo namany sy mpanohana azy ary ireo mpampahalala vaovao maro mpanara-maso ny resaka fahalalahana sy zon'olombelona ihany koa, dia manohana ny hoe notazonina i Javalan noho ireo antso nataony tao amin'ny Facebook ho fikarakarana hetsi-panoherana ao Azerbaijan taorian'ireo hetsi-bahoaka tany Tonizia sy Ejipta.