Tantara mikasika ny Azia Afovoany sy Kaokazy tamin'ny Oktobra, 2010
Handray anjara amin'ny Iray andro manerantany ny Rising Voices
Hampiseho ny fahasamihafany ireo mpikambana ao amin'ny fianakaviamben'ny Rising Voices amin'ny fandraisany anjara amin'ny hetsika Andro Iray eto Ambonin'ny Tany. Haka sary ny manodidina azy ny olona mpampita vaovao maneran-tany amin'ny 10 Oktobra 2010 mba hitehirizana ny sary indray mihelatry ny fiainana eto an-tany. Jereo ny sasany amin'ireo mpandray anjaran'ny Rising Voices.
Azerbaijan: Ny karatra Armeniana no lalaovina
Raha mbola eo ampanomanana ny fifidianana izay ho ao amin'ny parlemanta hatao amin'ny 7 Novambra i Azerbaijan, ireo mpitoraka bilaogy avy amin'ny mpanohitra kosa efa maneho sahady ny tsy hafaliany momba ny ho fomba fizotran'ny fifidianana. Tamin'ity herinandro ity ohatra, nipoitra ny olana momba ny fandraketana ny anaran'irao mpirotsaka avy amin'ny mpanohitra, ary ankehitriny ny gazety ao an-toerana dia manomboka mamoaka ny kiana avy amin'ny governemanta milaza azy ireny ho fampielezan-kevitra maloto mikendry fotsiny ny hanaratsy endrika azy ireo eo imason'ny mpifidy
Mozika: Rakikira mampiray ireo mpanakanto nahilika sy nosivanina
Listen to the Banned [Henoy ireo voasakana] dia rakikira mampivondrona ireo mpanao mozika izay nahilika, nosivanina na naiditra an-tranomaizina noho ny mozika ataony. Ahitàna ireo mpihira avy any Afghanistan, Cote D’Ivoire, Irana, Israely, Libanona, Pakistana, Palestina, Sodana, Tiorky, Uighurstan sy Zimbabwe.