Tantara mikasika ny Azia Afovoany sy Kaokazy tamin'ny Janoary, 2016
Tsy Mampahomby an'i Armenia Ny Fanabeazana Nentim-Paharazana Sy Ny Fahalemen'ny Fanaovan-Dalàna Manoloana Ny Herisetra Mihatra Amin'ny Ankizy
Tsy misy miraharaha sy tsy misy mpanao tatitra ny herisetra an-tokantrano mihatra amin'ny ankizy ao Armenia. Misy vondrona mpikatroka iray miezaka manao izay tratrany ho amin'ny fanaitairana ny fisian'izany.
Ao Azerbaijan Tany Manankarena Solika, Manao Hetsi-panoherana Ny Vahoaka; Valian'ny Governemanta Fisamborana
Nifamory teo afovoan'ny tanàna ary nanoloana ireo tranoben'ny governemanta ireo olona an-jatony manerana an'i Azerbaijan, nangataka asa ary nanohitra ny fiakaran'ny vidin-javatra, ny fitotonganan'ny fiainana ary ny fitomboan'ny tahan'ny tsy an'asa. Noho ny fitotongan'ny vidin-tsolika maneran-tany izay tafidina hatramin'ny latsaky ny 30 dolara Amerikana ny iray barika ankehitriny, miatrika fotoan-tsarotra izao ilay firenena, izay nisitraka ambaratonganà fahamarinan-toeran'ny toekarena teo ho eo ihany, noho ny toekareny miankin-doha amin'ny solika…
Fibabohan'ireo Taxicab, Hevitra Kyrgyz: Mandray Familiana Ireo Mpanao Lalàna Mba Hiresahana Amin'ireo Mpifidy
Hetsika fifandraisana amin'ny vahoaka, angamba, nefa manan-danja io eo amin'ny zava-mitranga ao Azia Afovoany, faritra iray miavaka noho ireo politika tsy refesi-mandidy.
Nikarakara ny Hetsika Opera Tselatra Voalohany Tao Amin'ny Fivarotana Iray Lehibe Iray Ao Bishkek i Kyrgyzstan. Zavatra Nahagaga Izany.
"Olona izay sahala amin'ny mpiantsena rehetra ihany sy mpiasan'ilay fivarotana no niredona hira tampoka, tamin'ny fampianohana ny ampahany tamin'ny operan'i Verdi, La Traviata, ho an'ireo mpividy".
Filatroana Afghana Niteraka Adihevitra Mafana sy Fanantenana Ho An'ny Fiarahamonina Misokatra Kokoa
Ho an'ny sasany mahery fo izy ireo, ho an'ny hafa "mpivaro-tena" izay "nampihatra ny hevitra Tandrefana" izy ireo. Toeram-piadiana ara-politika ny filatroana ao Afghanistana,
Ekipam-Pirenen'i Afghanistan Amin'ny Football Reharehan'ny Firenena Na Dia Ao Anaty Faharesena Aza
"Filoha Afghan teo aloha Karzai H nijery ny lalao Amboara Suzuki SAFF tao an-tranony nipetraka tamin'ny karipetra sy dite maitso."
Iza No Hieritreritra Fa Any Kazakhstan Ny “Everest”?
"Manana fakantsary reflex tranainy koa aho, Nikon D70 - tena mavesatra, angamba. Nalaina tamina haavo efa ho 6,500 metatra ambonin'ny ranomasina io sary io."