Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Septambra, 2018

Tantara mikasika ny Azia Afovoany sy Kaokazy tamin'ny Septambra, 2018

28 Septambra 2018

Zeorzia: Hiaraka hatory amin'i Shorena ve ianao?

Nanantena ny hanao revolisiona ara-pananahana ny fandaharana kanefa tsy nahomby satria efa nandositra ny toe-tsaina hoe "tsy mila firaisana ara-nofo eto URSS" i Zeorzia. Efa lohahevitra tsy fady intsony izany ary angamba efa nisy ny revolisiona ara-pananahana, saingy tamin'ny fomba malefadefaka.

27 Septambra 2018

Nosamborina noho ny fanamarinana ny zava-misy: Nampandoavin'ny fitsarana Kazakh onitra ilay Okrainiana mpanao gazety

GV Mpisolovava

Mampiseho ny fankalahan'ny manampahefana ny adihevitra momba an'i Okraina ao Kazakhstan sy ny tolona naharitra ela niaraka tamin'ny gazety ao an-toerana ny zava-misy.

24 Septambra 2018

Zeorzia: Kandidà Amin'ny Eurovision Miaraka Amin'ny “Tsy Mila Put In Izahay”

Tohin'ny ady izay nifanaovany vao haingana tamin'i Rosia, nanambana ny hanao ankivy ny fifaninanana hira Eurovision, nokarakaraina tao Maosko aloha i Zeorzia tamin'ity taona ity, avy eo izy niova hevitra (amin'ny teny anglisy ireo rohy manaraka). Kanefa, raha toa io fiovàna io tany am-piandohana ka toy ny andrana handaminana ireo...

22 Septambra 2018

Artista Kyrgyz iray miantso ny tovovavy ‘hampijoro ny fahafahany manokana’ ao anatin'ny hirany iray malaza

Nivoaka taorian'ny niadian-kevitra nandritra ny taona maro momba ny fomba tokony ho fiakanjon'ny vehivavy ao amin'ny firenena Aziatika Afovoany sy ny fitondrantenany ny hira malazan'i Zere voalohany mitondra ny lohateny hoe 'Kyz'.

18 Septambra 2018

Armenia: Tsingerintaona faha-21 ny horohorontany 1988

Nanamarika ny faha-21 taonan'ny horohorontany tamin'ny taona 1988 izay nandravarava faritra maro tany avaratr'i Armenia ny Alatsinainy teo, horohorontany izay nahafatesana olona 25 000 ary tsy manan-kialofana marobe.

15 Septambra 2018

Armenia: Eurovision be fanantenana

Na dia heverin'ny ankamaroan'ny mpijery any Eorôpa fa vazivazy aza, dia tsy misy isalasalana fa ny fifaninanan-kira iraisam-pirenena Eurovision dia raisina am-pahamatorana tanteraka ao atsimon'i Kaokazy izany. Raisina ho ny fotoana tsara indrindra hanehoana ny kolotsain'ny firenena sy ny maha-izy azy,

Azerbaijan: Bilaogy ara-tsakafo

 Manadihady an'i Farida Sadikhova Buyuran, bilaogera ao ambadiky ny AZ Cookbook i Leyla's Room. Manoratra momba ny nahandro, ny tontolo sy sarin'ny sakafo nentim-paharazana Azeri ary nahandro hafa koa izy, mampiseho ny antsipirihan'ny fitiavan'i Farida ny sakafo sy ny fikarakarana sakafo ary koa ny famoaham-boky atsy ho atsy ny fanadihadiana.

12 Septambra 2018

Tafihan'ny mpitolona mitam-piadiana ny Shiita ary mpanao gazety Afgàna maro hafa namoy ny ainy

"Mbola nivantana tao amin'ny fahitalavitra izy fotoana fohy izay ary tsy nahalala fa izy tenany mihitsy no ho lohatenim-baovao aty aoriana. Mandria am-piadanana ry namana. "

06 Septambra 2018

Kazakhstan: Ireo Vovonana Bilaogy Miha-Voasivana Bebe Kokoa

Ireo blaogy eo amin'ny mail.ru - vavahadin-tserasera rosiana iray malaza amin'ny fampitambaovao, ny fialamboly sy ny imailaka, no faharoa nanjary niharan'ny sivana tao Kazakhstan, taorian'ny LiveJournal. Ny fidirana amin'ireo blaogy irery ihany no sivanina amin'ny alalan'ilay mpandraharaha nasionaly momba ny fifandraisadavitra, miasa tsy misy olana kosa ireo tolotrasa rehetra hafa...

Kyrgyzstan: Fihetsiketsehana tahaka ny isan-taona

Na dia eo aza ny fitomboana ara-toekarena, ny ady amin'ny kolikoly sy ireo fampanantenana maro hafa mbola tsy notanterahan'ny mpandimby an'i Akaev, Kurmanbek Bakiyev, matetika miaina fihetsiketsehana ara-politika ataon'ny mpanohitra ny firenena