· Janoary, 2009

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Janoary, 2009

Palestina: Atao vaovao izahay aty Gaza nefa tsy mahita tele akory

  09 Janoary 2009

Omaly (06 janoary) dia nodarofan'ny Isreliana baomba ny sekoly iray an'ny ONU (Firenena Mikambana) izay ampiasaina hipetrahan'ireo mpitsoam-ponenana ao Jabaliya ka nahafatesana olona 40 eo ho eo. Androany dia nampiato ny fanafihany nandritra ny ora 3 teo ho eo ry zareo Israeliana mba hahafahan'ny fanampiana miditra ao Gaza. Afaka jerena...

Maneran-tany: Mpanao hetsika fanoherana tena ao anatin'ny heriny tanteraka manohitra ny ady ao Gaza

  07 Janoary 2009

An-tapitrisa ireo mponina maneran-tany no nidina an-dalam-be nanohitra ny fanafihana israeliana any Gaza tanatin'ireo andro vitsy teo aloha. Indro fantina bolongan-tsary vitsivitsy nalaina tao amin'ny YouTube maneho ny hetsika fanehoan-kery tao Tel Aviv, Londona, Tokyo, Madrida ary Istanbola, nahitana olona samihafa fiaviana maro nandeha nanandratra feo sy nihira fandriampahalemana ho...

Palestina: Mponin'i Gaza ‘voafandrika, mihorohoro, mivarahontsana’

  07 Janoary 2009

Mandroso hatrany miditra any amin'ny faritra anatin'i Gaza ny tafika Israeliana, ary  ny daroka baomban'ny tafika an-dranomasina, an'habakabaka sy an-tanety  dia mitohy hatrany. Indreto santionan-kafatra avy amina blaogy vitsivitsy nivoaka avy ao Gaza tato anatin'ny 24 ora latsaka kely. Prof. Said Abdelwahed, mpampianatra teny anglisy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Al-Azhar, dia...

Mpitoraka blaogy Maraokana, Toniziana, be no mampita ny zera baomba ao: ‘Ny tsy manantsiny no mandoa ny sarany [mitondra faisana]’

  06 Janoary 2009

Manohy hatrany ny fampitam-baovao momba ny  zera baomba ataon'i Israely ao Gaza, ireo dikanteny avy amin'ny hafatra nosoratan'ireo mpitoraka blaogy ao Maraoka sy Tonizia dia samy mitantara momba ny herisetra nitranga tsy ela akory izay. Avy any Tanger, Maraoka, baraka dia mampahatsiahy fa baomba amerikana daholo ary nalatsaka avy amina...

Palestina:Ny filàzan'ireo mpitoraka blaogy ny tahotra

  01 Janoary 2009

Tsy arak'izay noeritreretina, fa dia blaogu mivoaka foana avy ao Gaza mivoatra manaraka ny zava-misy, ary ireo mpitoraka blaogy dia mampita hatrany ny famaritan'izy ireo ny tahotra iainany noho ny fanafihan'ny israeliana. Exiled dia milaza fa tsy isan'ireo maherifo izy: على قيد الحياة ولكني لست بخير وقد اكون في اي...