Nampiditra volavolan-dalàna “henjana” momba ny fiarovana amin'ny aterineto ao anatin'ny hetsi-panoherana mafana manohitra ny fanonganam-panjakana i Myanmar

 

Fihetsiketsehana fanoherana fanonganam-panjakana nokarakaraina manerana an'i Myanmar na eo aza ny fandrarana ny famoriam-bahoaka. Sary natolotra ny Global Voices, nahazoana alàlana

Toherin'ireo vondrona fiarahamonim-pirenena ao Myanmar ny “Volavolan-dalàna momba ny Fiarovana amin'ny Aterineto” izay natolotra nandritra ny fitomboan'ny fanoherana governemanta miaramila.

Ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Serasera no nandefa ny volavolan-dalàna tany amin'ny Minisiteran'ny Fifandraisan-davitra any an-toerana mba ho dinihin'izy ireo ny 9 Febroary. Tafaporitsaka an-tserasera ilay antontan-taratasy ka afaka nandinika ny tao anatiny avokoa ny besinimaro.

Misy fizarana miisa 76 ao amin'ity volavolan-dalàna ity izay misy andinin-dalàna manome fahefana ny manampahefana hanome baiko ny fanakanana ireo tranonkala, fanesorana ny votoaty, ary ny fiampangana olona noho ny fanaparitahana vaovao diso.

Natolotra andro vitsivitsy taorian'ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila ny volavolan-dalàna. Ahiana fa raha lany ho lalàna dia hampiasaina mba hanakanana bebe kokoa ny fahalalahana miteny ao amin'ny firenena io fepetra io. Voasakana ny aterineto tao Myanmar ny 1 Febroary, andron'ny fanonganam-panjakana; ary tamin'ny 6 sy 7 Febroary ihany koa. Nitohy ny fanohanana hatrany ny hetsika tsy fankatoavan'ny sivily [mg] izay nanetsika olona an'arivony manerana ny firenena na teo aza ny fandraràna ny fihetsiketsehana. Nanana andraikitra lehibe tamin'ny fanamorana ny fanaparitahana vaovao sy ny fanavaozam-baovao hafa momba ny fanonganam-panjakana sy ny hetsika demokrasia ny aterineto.

Vondron'ny fiarahamonim-pirenena sivily miisa 200 mahery any Myanmar no nanao sonia fanambarana mandà ilay volavolan-dalàna. Tao anatin'izany, nametra-panontaniana izy ireo ny amin'ny fahefan'ny Minisitera tarihin'ny miaramila hamolavola sy hanolotra lalàna.

The issuance of the “bill” is evidence that the military has not only attempted a coup d’état, but is also exercising undue legislative power unlawfully to oppress the public.

…the “bill” includes clauses which violate human rights including the rights to freedom of expression, data protection and privacy, and other democratic principles and human rights in the online space.

Ny fandaniana ny “volavolan-dalàna” dia porofo fa tsy nikasa hanao fanonganam-panjakana fotsiny ihany ny miaramila fa mampiasa fahefana mpanao lalàna tsy ara-dalàna ihany koa hamoretana ny vahoaka.

… misy andininy izay manitsakitsaka ny zon'olombelona ilay “volavolan-dalàna”, ao anatin'izany ny zon'ny fahalalahana maneho hevitra, ny fiarovana ny angondrakitra sy ny fiainana manokana, ary ny fotokevitra demokratika hafa sy ny zon'olombelona ao amin'ny habaka an-tserasera.

Ahitana ny adidin'ny orinasan'ny Teknolojiam-pifandraisana handefa ny angondrakitry ny mpisera raha angatahan'ny manampahefana ny iray amin'ireo andininy nasongadin'ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona.

Milaza ny andininy faha 30 sy faha 31 amin'ny toko faha-9 ao amin'ny “volavolan-dalàna”, fa mila mitazona ny antsipiriany momba ny mpisera (IP, telefônina, kara-panondro, adiresy, angondrakitra momba ny fampiasana, ary ireo angondrakitra hafa ilaina araka ny torolalan'ny minisitera) mandritra ny 3 taona ary manome azy ireo izany rehefa angatahina ny sehatra an-tserasera (FB, Twitter..etc).

Nandà ihany koa ilay fepetra ny Federasiona Informatika ao Myanmar, izay nangatahan'ny governemanta miaramila haneho hevitra momba io volavolan-dalàna io ary nanolo-kevitra ny tokony hangatahana ny hevitr'ireo mpandray anjara amin'izany. Nampian'izy ireo fa ny mpikambana voafidy ao amin'ny Parlemanta no tokony handrafitra ny volavolan-dalàna.

FANAMBARANA: “Nanohitra tanteraka” ny volavolan-dalàna momba ny “Lalànan'ny fiarovana amin'ny aterineto” izay nalefan'ny filankevitry ny tafika tany amin'izy ireo mba hojerena ny Federasiona Informatika ao Myanmar, fivondron)amben'ny fikambanana informatika rehetra ao amin'ny firenena ary nanolo-kevitra izy ireo mba hanarahana ny dingana ara-dalàna.

Nilaza tamin'ny gazetiboky Frontier  i Vicky Bowman, talen'ny Ivontoerana misahana ny Raharaham-barotra ao Myanmar, fa hisy fiantraikany ratsy amin'ny asa fandraharahan'ny orinasan'ny Teknolojiam-pifandraisana io volavolan-dalàna io:

A law like this which does not protect human rights makes it very difficult for companies committed to respecting human rights to operate in Myanmar, which includes those offering online services.

Ny lalàna toa izao izay tsy miaro ny zon'olombelona dia mampanahirana ireo orinasa manolo-tena hanaja ny zon'olombelona hiasa ao Myanmar, anisan'izany ireo manolotra tolotra an-tserasera.

Nilaza tamin'ny Myanmar Times i U Aung Myo Min, talen'ny Ivontoeram-panabeazana momba ny Zon'olombelona ao Burma fa afaka manao ho ara-dalàna ny fifehezan'ny tafika ny habaka an-tserasera ity volavolan- dalàna ity:

It sounds more oppressive than protective. It can be expected that the true aim of the bill is to repress freedom of expression online and ban social networks.

Toa mamoritra kokoa fa tsy miaro ilay izy. Azo heverina fa ny famoretana ny fahalalahana maneho hevitra amin'ny aterineto sy ny fandrarana ireo tambajotra sosialy no tena tanjon'ny volavolan-dalàna.

Navoakan'ny FTMF=ONG Justice for Myanmar ihany koa ity hevitra ity, izay nanana tranonkala voasakana tamin'ny taona 2020 taorian'ny nampiharihariany ny fifampiraharahana ara-barotra tsy ara-dalàna nataon'ireo tompon'andraikitra miaramila:

Handany volavolan-dalàna vaovao momba ny Fiarovana amin'ny Aterineto ny miaramila ao #Myanmar. “Efa mifehy tambajotra finday miisa 2, #Mytel sy MPT ny miaramila, saingy ankehitriny izy ireo dia te-hifehy ny fampahalalam-baovao an-tserasera rehetra amin'ny alàlan'ny dingana tsy ara-dalàna sy hanasazy ireo sahy mampihatra ny zony fototra, anisan'izany ny FOE”.

Nanamafy ny famoretana ireo feo manohitra ny governemanta miaramila ao Myanmar rehefa niditra ny herinandro faharoa tamin'ny fanonganam-panjakana. Nosamborina ny mpanao fihetsiketsehana, ny mpikatroka ary ny mpanao gazety noho ny anjara asany tamin'ny hetsika tsy fankatoavan'ny sivily. Nosakanana indray ny aterineto tamin'ny 15 febroary ka niteraka ahiahy fa ity no fanombohan'ny andiana fisamborana olona faobe iray hafa.

Tapaka indray ny fifandraisan'ny aterineto any Myanmar nanomboka manodidina ny tamin'ny 1 ora maraina ny Alatsinainy tao anatin'ny fahatahorana ny famoretana ny fihetsiketsehana tato ho ato. Tonga izany hetsika izany rehefa navoaka ny fiara mifono vy sy ny fiara miaramila hafa tamina toerana maro manodidina an'i Yangon.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.