Tantara mikasika ny Etiopia
Tompondaka erantany i Etiopia amin'ny fambolena hazo, saingy mbola ho ela ny fiantraikany
Mampangitakitaka ireo tetikasa fambolena hazo marobe, saingy tsy tsotra araka ny fiheverana azy. Mampirisika ireo mpamboly sy miompy madinika ny Send a Cow hamboly hazo azo anavan-javatra maro mifanaraka amin'ny tontolo iainana.
Mandranitra Fifanenjanana ara-poko sy fivavahana ny volavolam-pisarahana ao amin'ny Fiangonana Ethiopiana Orthodoksa
Milaza ny Oromo mpitondra fivavahana fa antenain'ny EOTC ny Oromo mpandeha any am-piangonana hivavaka amin'ny fiteny Ge’ez, fiteny litorjikan'ny fiangonana, na Amharika, fitenim-piasana ao amin'ny governemanta federalin'i Ethiopia.
Odian'ny Tandrefana tsy hita ny fonjabe ankalamanjana ihazonana ireo tanora ao Etiopia?
Mbola manohy mafy mamely ny governemantan'i Praiminisitra Meles Zenawi, mpanao didy jadona mpanao famoretana ireo tontolon'ny bilaogy Etiopiana. Samy nanambara ny tatitra miavaka avy ao amin'ny Channel 4 mitondra ny lohateny hoe: "Ny fialan'i Etiopia aina", izay efa azo jerena amin'ny aterineto i Meskel Square sy Nazret.com.
Fomba fijery avy any an-tandrok'i Afrika
Feno fifanakalozan-kevitra momba ny sehatry ny kolontsaina sy ny politika ny tontolon'ny bilaogy ao amin'ny Tandrok'i Afrika sy Sodàna. Zavatra iraisana, izay toa nipoitra teo amin'ireo bilaogera Etiopiana ny tsy fisian'ny fangorahana ho an'ny governemantan'ny fitondran'ny Praiminisitra Meles Zenawi.
Feo avy amin'ny Tandrok'i Afrika (Etiopia) sy Sodàna: ny asan'ny vokovoko mena, ny fitongilanan'ny Tandrefana, ny tondron-kolikoly
Manomboka ao Darfur ary miaraka amin'ny vaovao tsara ny fijerinay izay lazain'ireo bilaogera ao amin'ny Tandrokin'ny kaontinanta Afrikana sy Sodana. Sleepless in Sudan mitatitra fa nesorina ny fandraràna ny fifamoivoizana ara-barotra any amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana antsoina hoe Kalma.
Maninona ireo bilaogera no loza mitatao ho an'ny governemanta etiopiàna
"Ny loza mitatao hita vatana amin'ireo Etiopiàna bilaogera sy mpanao gazety ary fanahy malalaka hafa dia noho izy ireo mampiditra hevitra radikaly tena vaovao be, hoe firenena iray malalaka kokoa, demaokratika kokoa."
African music (#6)
Tsy mbalax ny gadona Soukous, sady tsy afro-funk , tsy rumba, tsy Ethio-jazz, tsy Afrobeat [...] tsy Merseybeat ny Metal
Tatitry ny Mpisera : Poretin'i Etiopia ny fahalalahana maneho hevitra
Ny famoahana tamin'ny herinandro lasa dia mitodika voalohany indrindra amin'i Etiopia, avy eo any amin'ireo hetsipanoherana #LeyTelecom tao Meksika sy ny valinkafatr'ireo orinasa teknolojika rosiàna manoloana ireo fepetra vaovao momba ny bilaogy.
“Tsy Afaka Hanitsakitsaka ny Maha-Olona ny Hafa Isika Raha Tsy Efa Nanao Tsinontsinona ny An'ny Tenantsika”
Ny heloka bevava nataon'ireo blaogeran'ny Zone9 dia noho izy ireo sahy miaina ny "Ubuntu". Ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo no ampiroboroboan-dry zareo raha mitaha amin'ny an'ny isam-batan'olona manokana.
Korontana Tao Addis : Mitatitra Ireo Blaogera sy Mpanao Gazety Any an-Toerana
Tanatin'ny telo andro izao no niaina tanteraka tanaty herisetra i Addis Abeba, satria namaly ny tora-bato natao taminy tamin'ny alalan'ny fitifirana basy ireo polisy sy ireo tafika mitam-piadiana mahery vaika. Maherin'ny telopolo no voalaza fa namoy ny ainy. Nabaribarin'ireo bilaogera sy mpanao gazety tao an-toerana ho an'izao tontolo izao tamin'ny fampiakarana sary ny zava-nitranga tao Addis sy ny halehiben'izany