Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Septambra, 2018

Tantara mikasika ny Etiopia tamin'ny Septambra, 2018

Fifidianana Filoham-pirenena Etazonia: Ny Teny Misy S… sy Eoropa

  24 Septambra 2018

Ny famelezana farany tamin'ny fanentanana nataon'i McCain dia toa mihodina manodidina an'io teny mandratra manomboka amin'ny teny "S" io - sahala amin'ny ao anatin'ny hoe "Obama dia Sosialista". [...] Maro amin'ny olona eto no mino fa mitovy lanja ny sosialisma sy ny rafitra kaominista. Omaly, tao anaty trano etiopiana iray fisotroana kafé ao amin'ny faritra misy ahy ao Washington DC, valaka aho nanazava tamin'ireo mpividy vitsivitsy

Manao Blaogy Mikasika Ny Herisetra Tao Etiopia i Andrew Heavens

  11 Septambra 2018

Herinandro vitsivitsy lasa izay, sahala amin'ny toa fandresena goavana ho an'ireo mpomba ny fisokafana sy ny fanapariahana ny demokrasia ireo fifidianana tao Etiopia. Tamin'ny alàlan'ny fitaterana ny toa fitomboan'ny seza azon'ny mpanohitra, toerana 12 hatramin'ny 174, ao amin'ny parlemanta izay ahitana toerana 547

Fijery Avy Any Amin'ny Tandrok'i Afrika Sy Sodàna

  06 Septambra 2018

I Etiopia no iray tamin'ireo firenena Afrikana efatra monja tsy voazanaky ny fitondrana Eoropeana mihitsy. Na dia mahaleotena aza, niharan'ny fibodoana nataon'ny Italiana i Etiopia tamin'ny taona 1936 hatramin'ny taona 1941. mamerina amintsika indray ny tantara ny ethiopundit - 110 taona lasa izay - tamin'ny Adin'i Adwa, izay nandresen'ny hery Etiopiana an'ireo Italiana mpanjanaka nanana teknolojia avolenta.