Odian'ny Tandrefana tsy hita ny fonjabe ankalamanjana ihazonana ireo tanora ao Etiopia?

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2005)

Mbola manohy mafy mamely ny governemantan'i Praiminisitra Meles Zenawi, mpanao didy jadona mpanao famoretana ireo tontolon'ny bilaogy Etiopiana. Samy nanambara ny tatitra miavaka avy ao amin'ny Channel 4 mitondra ny lohateny hoe: “Ny fialan'i Etiopia aina”, izay efa azo jerena amin'ny aterineto i Meskel Square sy Nazret.com.

Nanoratra i Meskel Square:

EPRDF supporters will not like its angle, summed up by a report by the same reporter Inigo Gilmore in The Observer – “Democratic dawn fades in Ethiopia” as abuses come to light.

Tsy mankasitraka ny fomba fijeriny ireo mpanohana ny EPRDF, nofintinin'ny lahatsoratra avy amin'ilay mpitati-baovao ihany, Inigo Gilmore ao amin'ny The Observer- “Malazo ny maraina demaokratika ao Etiopia izay ahitana masoandro ny fihoaram-pefy.

Nasongadin'i Nazret ireo hevi-dehibe ao amin'ny fandaharan'ny Channel 4 :

“43,000 Ethiopians in Dedesa Concentration camp, over 30 died; Mass Burial and attrocities perpetrated on citizens; free press and text messages banned; International Community Patience running out”

“Etiopiana 43 000 no ao amin'ny toby fanagadrana ao Dedesa, olona 30 mahery no maty; fandevenana faobe sy habibiana no natao tamin'ny olom-pirenena, voaràra ny fahalalahan'ny gazety sy ny SMS, ary tapitra ny faharetan'ny fiarahamonina iraisam-pirenena”

Redeem Ethiopia manadihady lahatsoratra izay nivoaka tamin'ny 10 novambra tao amin'ny The Economist mitondra ny lohateny hoe “Etiopia, lasa ratsy saina ny sakaizan'ny Andrefana.

In its conclusion the article shocks Ethiopians and anyone who follows events in Ethiopia. It states:

“Many, perhaps most, Ethiopians and many foreign observers argue that, despite the government's recent bloody brutality, Mr. Zenawi is still the best man to keep Ethiopia on a path to development.”

Using this simple sentence in its conclusion the Economist tries to absolve Meles by telling the reader that despite all the brutality, most Ethiopians still hold him in high regard. This statement can only leave the unsuspecting reader wondering what miracles this man must have performed to have such grand sins absolved by the very people he is brutalizing. It convinces the reader that he too must accept (at least not oppose) Meles Zenawi in the interest of the greater good that Ethiopians and others expect from him. The reader is asked to hop on to the bandwagon of support; albeit one that only exists in the writer’s mind.

Tamin'ny fehinteniny, nahatohina ireo Etiopiana sy ireo mpanaraka ny zava-nitranga tao Etiopia ny lahatsoratra, izao no voalaza tao:

“Maro, ary angamba ny ankamaroany, Etiopiana sy ireo mpanara-baovao avy any ivelany no milaza fa, na nisy aza ny herisetran'ny governemanta vao haingana, Atoa. Zenawi foana no olona tsara indrindra afaka hintanana an'i Etiopia eo amin'ny resaka fampandrosoana.”

Amin'ny fampiasana izany fehezanteny tsotra izany tao amin'ny teny fehinteniny, miezaka manala tsiny an'i Meles ny Economist tamin'ny filazana amin'ny mpamaky fa na teo aza ireny herisetra rehetra ireny, mbola sarobidy amin'ireo Etiopiana sasantsany hatrany izy. Mahatonga ireo mpamaky tsy manana ahiahy hanontany anefa izany hoe inona ny zava-nahagaga vitan'ity lehilahy ity no nahatonga ny olona tena niharan'ny herisetrany ho namela ny heloka goavana nataony. Mandresy lahatra ny mpamaky izany fa tsy maintsy manaiky ( farafahakeliny, tsy manohitra) an'i Meles Zenawi izy ho an'ny tombontsoa ngeza indrindra izay antenain'ny Etiopiana sy ny hafa aminy. Asaina ny mpamaky mba hanaraka ny hetsika fanohanana; na dia ilay misy ao an-tsain'ny mpanoratra aza.

Niantso ny fiaraha-monina iraisam-pirenena i ET Blog Diaries mba hitandrina dieny mbola tsy tara loatra manoloana ny ” habibiana ao amin'ny toby fihazonana ao Dedessa” nataon'ny governemantan'i Meles.

Finally the EU representative in EThiopia admits that “We have not witnessed anything like this in Ethiopia before” refering to the Dedesa concentration camp where the Fascist Meles regime is holding thousands of Ethiopian youth. The crimes of Bosnia and Rwanda are being repeated in Ethiopia. We cry out to the world to be truthful and condemn this man and withold the money.

Farany, niaiky ny solontenan'ny Vondrona Eoropeana ao Etiopia fa “mbola tsy nahita zavatra toy izao tao Etiopia izahay teo aloha”, manondro ny toby fihazonana ao Dedesa izay hanagadran'ny fitondrana fasistan'i Meles ireo tanora Etiopiana an'arivony. Miverina indray any Etiopia ny heloka ao Bosnia sy any Rwanda. Miantso mafy izao tontolo izao izahay mba hilaza ny marina ary hanameloka ity lehilahy ity sy tsy hanome vola azy.

Nilaza momba ny lahatsoratr'i Meron Agonafer izay nivoaka tao amin'ny New-York Times i Ethiopian Politics, izay manontany hoe: “Inona no tokony ataon'i Etazonia mba hametrahana governemanta marina any Etiopia?” Niantso ny praiminisitra Britanika, Tony Blair i Meron Agonafer mba handroaka an'i Meles ao amin'ny Vaomiera ho an'i Afrika.

“ndeed, it is an open secret that Tony Blair has been promoting Meles Zenawi, the notorious autocrat, as the “new leader” of Africa. Of course, if the word “new” is meant to indicate an introduction of ethnic division, abject poverty, intense repression, mass killing, yes, Tony Blair is right on the mark. His poster boy has a master plan to keep Ethiopia in perpetual conflict and misery which will eventually destabilize the Horn of Africa. And the last thing the world needs is lawlessness in that region.

“Eny tokoa, tsiambaratelo fantatry ny rehetra izany fa nanandratra an'i Meles Zenawi, tsy refesi-mandidy malaza, ho toy ny “mpitarika vaovao” ao Afrika i Tony Blair. Mazava ho azy fa raha milaza fampidirana fizarana ara-poko, fahantrana farahidiny, famoretana goavana, famonoana olona faobe ny teny hoe” vaovao”, eny, marina mihitsy ny notenenin'i Tony Blair: Ahitana drafi-pitarihana ny afisiny fahatovolahy mba hitazonana an'i Etiopia ao anaty ady sy fahoriana mandrakizay izay mety hanozongozona ny Tandrok'i Afrika. Ary ny zavatra farany izay tadiavin'izao tontolo izao dia ny korontana ao amin'izany faritra izany.

Nandinika ny antoko eo amin'ny fitondràna any Etiopia i Ethiopundit ka nilazany izany ho “ampira jadona/ orinasam-pianakaviana goavana sy masiaka”.

From owning every square centimenter of land in a nation of 70 million onto control of billions in aid annually and total dominance of the commanding heights of a whole national economy, the Politburo's holdings represent the greatest concentration of wealth under unitary control from Cairo to the Cape.

Amin'ny fananana tany santimetra toradroa tsirairay ao amin'ny firenena izay manana mponina 70 tapitrisa sy mitantana vola amina miliara avy amin'ny fanampiana isan-taona sy ny fanjakazakana tanteraka amin'ny toekarem-pirenena manontolo, ny fananan'i Pomitburo no ivondronan-karena goavana indrindra ambany fanarahamasom-bondrona tokana miainga any Kairo k hatrany le Cap.

Weichegud!ET Politics – marani-tsaina toy ny mahazatra nitopi-maso tamin'ny mety ho votoatin'ny “diarin'ny” Praiminisitra Meles nosoratana tao amin'ny “efitra mitokana ao am-ponja”, efitra fanagadrana mitokana mirefy efatra metatra tora-droa avy izay ahafahana manao vakiteny tsara raha vao tafapetraka ao amin'ny rova kely eo akaikin'ny Mengistu ao amin'ny tanàna manodidina misandrahaka ao Zimbaboe ny praiminisitra Meles?” ( izay hipetrahany ho “vahiny ofisialin'ny filoha Robert Mugabe)”

Dear Diary,

As I have been telling you for the past three weeks, like all great leaders I am misunderstood and unappreciated during my time. In 20 years, when I head the World Bank’s “Office of What do we do with former despots”, people will finally realize the wisdom with which I led Ethiopia………………..By the way, it is vexing that other African countries are mimicking my tactics without giving me proper credit. Thieves, all of them. Museveni finally came to his senses and arrested that anti-peace opposition traitor Kizza Besigye and charged him with treason and terrorism.

Ry diary namako,

Araka izay efa nolazaiko anareo tamin'ny telo herinandro lasa teo, tahaka ireo mpitarika lehibe rehetra, diso fandray aho ary tsy nolalaina araka ny tokony ho izy nandritra ny fotoanako. Afaka 20 taona, rehefa mitantana ny biraon'ny banky iraisam-pirenena momba ny inona no ataontsika amin'ireo mpanao didy jadona teo aloha” aho, dia hahatsapa ny fahendreko tamin'ny nitondrako an'i Etiopia ihany izy ireo amin'ny farany………..Raha ny marina, mahakivy ahy ny mahita ireo firenena Afrikanina hafa maka tahaka ny tetikadiko kanefa tsy manome voninahitra sahaza ahy akory avy eo. Mpangalatra izy rehetra. Nahatsiaro tena ihany i Museveni nony farany ary nisambotra ity mpanohitra mpamadika anti-fandriampahalemana Kizza Besigye ity ary nitory azy ho mpamadika sy mpampihorohoro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.