Tantara mikasika ny Etiopia tamin'ny Desambra, 2017
Etiopia: Mampiasa Ny Haino Aman-Jery Vaovao Mba Hiantohana Fifidianana Malalaka Sy Madio Ireo Mafàna fo
Raha eo ampikononkononana amin'ny fifidianana parlemanatera hatao ny 23 May 2010 ny etiopiana, dia misy fikambanana anankiroa mampiasa ny haino aman-jery vaovao mba hiantohana ny fifidianana malalaka sy madio. Ny tambajotran-tranonkala Facebook no ampiazanin'ny Ethiopia CommonBorders, fikambanana mifototra amin'ny vondrom-piarahamonina, ho isan'ny fanentanany amin'ny aterineto raha toa ka ny sehatra mifototra amin'ny haba-tranonkala hanangonana sy hijerena ny torohay momba ny fifidianana amin'ny sarintany no ampiasain'ny Ethiopia Vote Monitor.