Tantara mikasika ny Etiopia

Korontana Tao Addis : Mitatitra Ireo Blaogera sy Mpanao Gazety Any an-Toerana

  27 Febroary 2019

Tanatin'ny telo andro izao no niaina tanteraka tanaty herisetra i Addis Abeba, satria namaly ny tora-bato natao taminy tamin'ny alalan'ny fitifirana basy ireo polisy sy ireo tafika mitam-piadiana mahery vaika. Maherin'ny telopolo no voalaza fa namoy ny ainy. Nabaribarin'ireo bilaogera sy mpanao gazety tao an-toerana ho an'izao tontolo izao tamin'ny fampiakarana sary ny zava-nitranga tao Addis sy ny halehiben'izany

Mpisolovava Miantso ny Kaomisiôna Afrikàna, ny Manampahaizana avy Amin'ny Firenena Mikambana Mba Hirotsaka an-tSehatra Amin'ny Raharahan'ireo Bilaogeran'ny Zone 9

GV Mpisolovava  24 Janoary 2019

Nanatevina laharana an'ilay antso maika nalefa ho an'ireo mpampakatenin'ny Firaisambe Afrikàna sy ny Firenena Mikambana ny Global Voices mba hahazoana fanafahana tsy misy hatak'andro an'ireo bilaogeran'ny Zone9, ary hanambaràna ny fisamborana sy fitazonana azy ireo ho fanitsakitsahana mibaribary ny zo maha-olombelona azy ireo.

ONI: Nosakanan'i Ethiopia ny tranokalan'ny mpanohitra sy ny bilaogy an-tapitrisany  

GV Mpisolovava  07 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Araka ny The Openet Initiative, nosakanan'ny manampahefana Ethiopiana ny fidirana tamin'ny tranokalan'ny mpanohitra sy ny bilaogy miantrano ao amin'ny Blogger. “Nifandraika tamin'ny fahalalaham-pitenenana, ny zon'olombelona ary ny fanoherana ara-politika ny ankamaroan'ireo tranonkala izay hitanay fa voasakana,” hoy ny talen'ny fikarohana...

Ethiopia: Bilaogy nanjavona

  26 Desambra 2018

(Marihina fa tamin'ny volana May 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Tototry ny fanombatombanana sy ny fiampangana ny tontolon'ny bilaogy ao Ethiopia rehefa nanjavona tao anatin'ny efijerin'ny solosaina ireo tranonkala rehetra tao amin'ny firenena ka niantrano tao amin'ny sehatra Blogger malaza. Bilaogy telo amby roapolo tamin'ireo bilaogy Ethiopiana miisa 32...

Ny feon'ny vehivavy Afrikanina tamin'ity herinandro ity

  21 Oktobra 2018

Maneho hevitra momba ny hamaroan'ireo antidahy ao anatin'ny politika sy ao anatin'ny governemantan'i Kenya ny Diary of a Mad Kenyan . Manontany tena amin'ny fomba nisafidianan'ireo lehilahy ntaolo, mpampihatra ny politika ntaolo, an'i John Githongo mba hitantana ny hetsika fanentanana amin'ny fanoherana ny kolikoly izy.

Nahoana No Miresaka Fanandevozana Ireo Tantara Noforonin'ny Afrikana Sy Haisiana ?

  15 Oktobra 2018

Nahoana no atsidika kely fotsiny ao anaty tantara Afrikana sy Haisiana noforonina ny resaka fanandevozana? Io no fanontanian'i Kangni Alem, Togoley blaogera monina ao Frantsa, nalefany tao amin'ny fampidirana am-biloagy miparitaka be iray sy voasaina tsara. Malahelo izy fa ny tantara afrikana dia tsy ahitana an'ireo andalan-tsoratra maro mikasika ny onjam-panandevozana izay nanafay ny tanibe ary tsipihany fa tsy manan-danja lehibe amin'ny literatiora haisiana ihany koa izany, hitany ho azo leferina ihany ireo antony'ny fanesorana izany ho an'ireo haisiana mpanoratra.