Tantara mikasika ny Maraoka tamin'ny Jolay, 2018
Inona no nanjo ny zo niomerika nandritra ny fito taona lasa? Hilaza izany aminao ny andiany faha-300 amin'ny Tatitry ny Olon-tsotra Mpampiasa Aterineto

Amin'ity herinandro ity, miverina mijery ireo fito taona nandrakofana ny vaovao maneran-tany momba ny zo niomerika ho fankalazana ny andiany faha-300 nosaratanay izahay!
Hanery amin'ny hanaovan'i Frantsa ny resaka ilaina momba an'i Afrika ve ny hanihanin'ny Mondialy?

"Amin'ny fiantsona azy ireny ho Afrikana dia tahaka ny mitsipaka ny maha-Frantsay azy ianao."
Afrika Avaratra: Fijirihana sy Famotehana tranonkalan'ireo antoko politika mpanohitra

Mihalasa lasibatra manokan'ireo mpijirika (jiolahy informatika) ny tranonkalan'ny mpanohitra ao amin'ireo firenena any Afrika Avaratra, indrindra ao Tiorkia, Libia, sy Maoritania.
Loka, fahafatesana sy tsingerintaona nahaterahana ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Maraokana
Fifaliana ho an'i M.S Hjiouj izay tsy nankalaza fotsiny ny tsingerintaona nahaterahany, ny voalohan'ny volana Aprily ny tamin'ny herinandro lasa fa koa nahazo ny loka volana Martsa ho an'ny tranonkala aterineto Arabo 4 izy.
Italia, Tonizia: Tenina Mpifindra Monina Mikasika ny Lohataona Arabo
Inona no hevitr'ireo mpifindra monina mipetraka ao Italia momba ny hetsika vao haingana tao Afrika Avaratra? Inona no hetvit'izy ireo mahakasika ny anjara asan'ny Aterineto? Ny fijoroana vavolombelon'izy ireo dia nangonina tao anatina lahatsary fanadihadiana izay nalefa mandritra ny Fihaonana ''Tonizia, ny vanim-potoanan'ny jasmina'', nandritra ny fetin'ny sarimihetsika Immaginafrica, ny 14 novambra 2011 tao Padoue.
Andron'ny Mpifankatia sy ny U2 ao amin'ny bilaogy Maraokana
Tsy misy lahatsoratra politika tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Maraokana tamin'ny herinandro lasa, na farafaharatsiny tena vitsy. Toa nifidy lohahevitra maivamaivana kokoa ireo bilaogera Maraokana, mba hanamarihana ny fiatoana, taorian'ny herinandro tena ara-politika nanjakan'ireo sariitatra Danoà.
Bilaogeran-dahatsary manerantany nifaninana hahazo ny BOBs (fizarana I)
Nisafidy mpifaninana miisa 176 amin'ny sokajy 16 ny BOBs tamin'ny fifaninanana isan-taona izay nokarakarain'ny Deutsche Welle ho an'ny famokarana amin'ny aterineto. Ao amin'ny sokajy famahanana bilaogin-dahatsary, nifaninana hisalotra ny ho tsara indrindra ao amin'ny vondrona misy azy ireo mpandray anjara avy amin'ny faritra samihafa.
Maraoka: Ny Fetiben'ny hira masina manerantany ao Fez
Satria efa akaiky ny Fetiben'ny Mozika Masina Manerantany faha-14 fanao isan-taona ao Fez - mizara ny zava-niainan'izy ireo tamin'ny fetibe tamin'ity taona ity ireo bilaogera Maraokana ao an-toerana sy ireo mpandehandeha.