Tantara mikasika ny Maraoka tamin'ny Avrily, 2011
Maraoka : Ambarao ny Hevitrao ho an'ny Fanovana, ao amin'ny Twitter
Nitondra firehetam-po ho amin'ny fanovana ny lohataona Arabo. Satria efa manomboka mianjera ny rindrin'ny tahotra, mahatsiaro feno herim-po ny vahoaka ka nanomboka nandray an-tànana ny olany.Ao Maroc, iray amin'ireo lohahevitra lehiben'ny fanovàna ny fanabeazana. Houda C. (@Houdac), vehivavy bilaogera miteny frantsay, no nanomboka ny adihevitra tao amin'ny Twitter.
Mampidi-doza ny fiainana manokan'ireo mpampiasa azy ny Microsoft: Tsy misy HTTPS any amin'ireo firenena Arabo, Iran

Amin'ny hetsi-panoherana mbola mitohy sy ny famoretana mafy ataon'ny governemanta any Afovoany Atsinanana, mampidi-doza ny tsy fahatoniana ao amin'ny aterineto izay mety hisy akony lehibe eo amin'ny fiadanan'ireo mpampiasa aterineto any...