Tantara mikasika ny Maraoka tamin'ny Jolay, 2010
Maraoka: Zazakely iray mpitoraka blaogy miarahaba an'izao tontolo izao
Nanomboka nanana blaogy i Salma teo amin'ny fahaenin-taonany mba ahafahany mifandray amin'ny namany sy ny fianakaviany.Tia manoratra tantara fohy sy mizara ny olana mahazo azy isan'andro any an-tsekoly amin'izao tontolo izao ity zaza Maraokana mpitoraka blaogy ity saingy eo imason'ny raiamandreniny avokoa izany.
Maraoka: “Mbola mipetraka ao amin'ny tranon'ny raiamandreniko ” hoy ny tovovavy antitra iray efa 40 taona
Iray amin'ireo vehivavy Marõkana telo no tokantena. Maneho ireo fanadihadiana fa misy ifandraisany betsaka amin'ny halafosana ara-toekarena izy ity , ny tsy fahampian'ny fampianarana, ny tsy fisian'ny demokrasia . Mbola mipetraka amin'ny tranon-draiamandreniny i Samira vehivavy tokantena 40 taona. Mizara ireo traikefany iainany isan'andro izy eo amin'ny blaoginy .
Morocco: Lasibatra ny toeram-pivoahana ho an'ny daholobe
Ilay Maraokana mpitoraka blaogy, Big Brother Maroc [Fr] dia mitatitra ny fanelezana (fanolorana) ny Bitelma [Fr] ( izay adika tsotra amin'ny hoe Toeram-pivoahana), tranonkala iray anasana ny mpitsidika mba handefa...