Tantara mikasika ny Maraoka tamin'ny Novambra, 2017
Maraoka: Nogadraina Ilay Mpankafy Barça Raha Nanoratra Hoe “Andriamanitra, Tanindrazana, Barça”
Maro ireo bilaogera no gaga raha nahafantatra fa voaheloka higadra 18 volana ny tanora Marokana iray noho ny heloka madinika. Ilay zatovolahy, mpankafy Barça, dia voalaza fa nanoratra hoe "Andriamanitra, Tanindrazana, Barça" teo amin'ny solaitrabe tao an-dakilasiny . Ny teny filamatra ao Maraoka dia hoe "Andriamanitra, Tanindrazana, Mpanjaka".
Maraoka: Mandray Anjara Amin'ny Fihaonamben'ny Tanora Ilay Mpanoratra Ato Amin'ny GV
Tanora mpitarika feno fahazotoana tsy mampino avokoa ireo mpandray anjara tamin'ny fihaonambe, ary niresaka momba ireo hevitra mahafinaritra mba hampandray anjara an'ireo vondrom-piarahamonin'izy ireo tsirairay. Manantena ny hahita bebe kokoa 2007 DABA aho.
Maso Arabo: Tonga Ny Voaly Mampiseho Maso Tokana
Noho ny voaly izay mandrakotra ny tarehy kanefa mamela ny vehivavy hampiseho ny masony anankiroa dia mitaky ny voaly izay tsy mampiseho afatsy maso tokana ankehitriny ny manam-pahaizana Islamika iray avy ao Arabia Saodita . Naneho hevitra ireo bilaogera avy amin'ny tontolo Arabo.
Paradisa Vaovao Ho An'ny Sarimihetsika Ve I Maraoka ?
Toerana ankafizin'ny mpanatontosa sarimihetsika vahiny efa hatry ny ela i Maraoka. Toy izany ny horonantsary fanta-daza La Dernière Tentation du Christ na ny Lawrence d'Arabie, sy ny horonantsary vao haingana toy ny Détention secrète na ny La Chute du faucon noir, dia samy nampiasa an'i Maraoka ho endri-tanàna avokoa.
Mitolona Hitatitra ny Hetsika Hirak ireo Maraokàna Mpanao Gazety, Na Eo Aza Ny Fandrahonan'ny Fanjakàna

Misedra teritery samihafa ireo mpanao gazety mitatitra ireo hetsipanoherana Hirak.