· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Maraoka tamin'ny Marsa, 2011

Tontolo Arabo: Boky Torolalan'ny Arabo Tsy Refesi-Mandidy

Nivoaka izao ny Boky Torolàlan'ny Arabo Tsy Refesi-Mandidy, ary efa any anaty Twitter amin'ny fotoana anoratako. Ao amin'ny Twitter, nanjohy an'i Iyad Elbaghdadi ny mpampiasa Twitter sasany hanambatra ireo fialàna bàla henontsika hatrizay avy amin'ny governemantan'ireo firenena Arabo nahitàna fihetsiketsehana nangatahana ny fiovan'ny mpitondra sy fanavaozana nanomboka tamin'ny fitroaran'ireo Toniziana tany amin'ny faramparan'ny taona 2010 tany. Na dia sahala amin'ny hoe nalaina mivantana avy tany anaty tantara an-tsary mampihomehy ireny izy ireny, dia mbola manana mpihaino sy mpanohana hatrany ry zareo any amin'ny fireneny any.

25 Marsa 2011

Maraoka: Diabe nilamina nanerana ny firenena

Nidina an-dalambe isan-kerinandro, tahaka ny Toniziana sy ny Ejipsiana, ny Maraokana ny volana Febroary 2011, mitaky ny hanovana Lalampanorenana sy ny fametrahana rafitra demokratika parlemantera. Nisy ary ny Diabe am-pilaminana notontosaina ny Alahady 20 marsa nanerana ny firenena. Voatatitra tamin'ny alalan'ny aterineto, hita ao amin'ny Twitter, Facebook ary ny Youtube ny isa-minitran'izany diabe izany.

22 Marsa 2011

Maraoka: Ny kabarin'ny Mpanjaka ao amin'ny Twitter

Tamin'ny Alarobia, nanao ny lahateniny voalohany ho an'ny firenena ny Mpanjaka Mohammed VI hatramin'ny nisian'ny fihetsiketsehana mandàla ny demokrasia. Tsy niteny mivantana momba ny hetsika, fa nampanantena "fanovàna lalampanorenana mazava" sy fitsapakevi-bahoaka momba ny "fitsinjaram-paritra tsara," mikendry izay hanomezana fahaleovantena tanteraka ny faritra manoloana ny governemanta izy

11 Marsa 2011

Maraoka: Mankalaza ny andron'ny vehivavy

Ny vehivavy maraokana, tahaka ireo vehivavy rehetra maneran-tany dia mankalaza koa ny faha-100 taonan'ny andron'ny vehivavy. Teo anivon'ny fiarahamonim-pirenena dia efa hatramin'ny ela izy ireo no niady hanana fiainana mendrika...

11 Marsa 2011

Tontolo Arabo: Mifaninana amin'ilay fifaninanana antsoina hoe Arabisk ireo mpitoraka bilaogy

Miady ny loka azo amin'ny fifaninanana amin'ny "Ny bilaogy Arabo tsara indrindra " (Arabisk) ny mpitoraka bilaogy Arabo. Eo amin'ny ambaratongan'ny fitsarana amin'izao ny fifaninanana. Tsaraina amin'izao ireo bilaogy 20 voalohany nozaraina ho sokajy efatra, ary ampahafantarina amin'ny fiandohan'ny volana Aprily ny valin'ny fifaninanana. Manan-kambara betsaka i Haifa Al Rasheed momba io fifaninanana io.

11 Marsa 2011