Tantara mikasika ny Maraoka tamin'ny Desambra, 2012
MENA: Bilaogy Mpampitohy Ny Firenena Maghreb Sy Ny Golfa Arabo
Nifandray tànana ilay mpitoraka bilaogy Maraokana Amerikana Samia Errazzouki sy ilay mpitoraka bilaogy tsy manana firenena fiaviana avy any Koety, i Mona Kareem mba hanomboka bilaogy vaovao izay miresaka mikasika fitsaratsaram-poana eo amin'i Maghreb (Afrika Avaratra) sy i Golfa. Ny tanjona moa dia ny hanombohana ny resaka mba ho famonoana ny elanelan'ny tsy fitoviana eo amin'izy ireo.