Tantara mikasika ny Maraoka tamin'ny Janoary, 2019
Maraoka : Nosamborina ilay bilaogera Bachir Hezzam

Natsangana hanohanana ilay bilaogera nogadraina tao amin’ny fonjan’i Goulmim any Atsimon’i Maraoka ny vondrona iray tao amin’ny Facebook . Voampanga ho namoaka tao amin’ny bilaoginy ‘’AI Boushara’’ (‘’Ny vaovao mahafaly’’) ny fanambarana momba ny firotsahan’ny polisy an-tsehatra tamin’ny mponina iray tao Goulmim izy.
Maraoka : Nenjehina noho ny fanalàm-baraka ilay bilaogera Hassan Barhoum

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nosamborina ny 25 Febroary 2009 noho ny fanambarany ny raharahan-kolikoly nahavoarohirohy an’Atoa Mohamed Masmouki, izay Lehiben’ny Fampanoavan’ny Mpanjaka ao...
Tonga ao Maraoka ny “Diaben'ireo vehivavy ratsy fitondrantena”
"Miarova tena samirery, takio ny fanajàna. Tsy maintsy miova lasy ny henatra !" io no hikam-pitoloman'i Majdoline Lyazidi, tovovavy iray 20 taona namorona ny SlutWalk Maroc, pejy Facebook natokany hanairana ny saina amin'ireo fanorisorenana ara-nofo ao anatin'ny fiarahamonina maraokanina.
Afrika: Manolo ny Zava-drehetra ny Fanantenana
Tia mizara ny traikefany sy maneho ny heviny ny vehivavy, saingy tsy hisy mihitsy famantaranandro hiandry azy ireo hipetraka sy hifampizara ny antsipiriam-piainany - na ataony anatin'ny bilaoginy aza izany. Tsy maintsy mitohy ny fiainana.
Marobe ny fiarahabana ny mpanjakavavy Rania noho izy nahazo ny Loka “Visionary” Youtube
Miondrika manaja ny Mpanjakavavin'i Jordania, Rania, sy ny hetsika fanentanany ao amin'ny YouTube, ireo bilaogera avy any Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra, taorian'ny nahazoany ny loka tamin'ny Loka Visionary YouTube noho ny fananganana fantsom-pifandraisana an-tserasera hiadiana amin'ny fitsarana an-tendrony sy ny hevi-diso mikasika ny Arabo sy silamo.
Nesorina ny Mpanazatra an'i Maraoka taorian'ny Fahareseny tamin'ny Fiadiana ny Tompondakan'i Afrika
Nesorina ny mpanazatra ny ekipam-pirenena Maraokana mpilalao baolina kitra, Henri Michel, taorian'ny voka-dalao ratsy nasehon'i Maraoka nandritra ny CAN: tsy rariny, hoy ireo bilaogera mampiasa ny teny Frantsay.