Tantara mikasika ny Bolivia tamin'ny Novambra, 2018
Fiarahaban'ny vehivavy!
Azo antoka fa tsy mila miteny Espaniôla ianao vao hahatsapa ny volo mitsangana ao amin'ny tendanao rehefa mijery ity lahatsary mampihetsi-po ity, izay novokarin'ilay bilaogera Arzantiniana Malearg, ary mitantara ny fandrosoana sy ny zava-bita nataon'ireo vehivavy manerana izao tontolo izao.
Syria: Tsy afaka miaraka ireo mpitarika Arabo, na dia ao anaty efitra aza
Raha niditra tamin'ny herinandro fahatelo ny herisetra tao Gaza; dia tsy nahavita niombon-kevitra tamin'ny filàna hanaovana fihaonambe maika ho an'ireo firenena mpikambana ao amin'ny Ligy Arabo izay nangatahan'i Qatar sy Syria ireo mpitondra rabo. T
Fitsidihana ny bilaogy manerantany Talata
Mahmood of Mahmood's Den manambara fa tsy ny handray ny torolàlana avy amin'ny Reporters sans frontières ho an'ny aterineto maimaim-poana ihany no ataony fa handika izany amin'ny teny arabo koa izy, ary handefa azy ireo any amin'ny mpikambana ao amin'ny parlemanta.
Bolivia: Fitorian-teny Fanelezana ny Blaogy
Noho ny fahombiazan'ilay Andiany Faharoa Fihaonan'ny Blaogera sy ireo Mpampiasa Mundo al Reves natao tamin'ny Asabotsy 8 Jolay lasa teo tany Santa Cruz izay nandraisan'ny olona 26 anjara (indrindra blaogera sy mpamaky blaogy), nanomboka hetsikana blaogera mitondra ny lohateny hoe ''Adalanà Blaogy'' ilay vondrona mavitrika.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...