Tantara mikasika ny Bolivia tamin'ny Desambra, 2012
Andro Faha-2 Ho Fampandrosoana An'i Amerika Latina 2012
Nifarana tamin'ny Alahady 2 Desambra teo ny andro faha 2-n'ny hackathon isam-paritra ho fampandrosoana an'i Amerika Latina 2012, nokarakarain'ny Ciudadano Inteligente Foundation tany amin'ny firenena valo any amerika Latina. Taorian'ny asa mafy tsy ankiato 36 ora , dia nanomboka nanolotra ny tetikasany ireo mpandray anjara tany amin'ny faritra samy hafa mba hahafahan'ny mpitsara maka fanapahan-kefitra ao aoriana ao. Eto no anoloranay ireo mpandresy avy any amin'ny faritra samy hafa.
Manao Diabe Ny Mpifindra Monina Mba Hitaky Fitovizan-jo Ao Brezila
Tamin'ny 2 Desambra, nidina an-dalambe ny fihetsiketsehana nokarakarain'ireo mpila ravinahitra monina ao São Paulo mba hitaky ny fananany zo fototra toy ny fahasalamana, fiarovana, sy asa mendrika. Niainga tao Praça...
Ala Sarona Ataon'ireo Boliviana Mpikatroka Mafàna Fo Amin'ny Resaka Patanty Goavan'ny QR Code
Azo asiana patanty ve ny fampiasàna ny "QR codes" aty Bolivia? Nifanome tànana ireo Boliviana mpikatroka mafàna fo mba hanokafana patanty iray goavana tsy manaraka ny lalàna momba ny fampiasàna ny Quick Response Codes, fantatra amin'ny hoe QR codes, ao amin'ny fireneny
Mipetraka Ho Tantaran'ny Football Boliviana Ilay ‘Dakan'ny Maingoka’ Nataon'ilay Lohalaharana
Nahavita 'dakan'ny Maingoka' hatreny ivelan'ny faritra tsy azo ivalozana i Gastón Mealla, lohalaharan'ny Nacional Potosí 24 taona, ka tafiditra ny baolina. Na dia tsy tafiditra tao anatin'ny baolina tafiditra 3 tsara indrindran'ny taona aza ny baolina mahatalanjona tafiditr'i Gastón Mealla dia hitoetra ho iray amin'ny baolina tsara sy mampitolagaga eo amin'ny tantaran'ny football Boliviana ilay dakan'ny maingoka.
Fampiasa Nandresy Tamin'ny Hackaton Goavana Indrindra Ao Amerika Latina
Nalefa voalohany tao amin'ny engine room ny lahatsoratra Desarrollando America Latina [es], karazana fifaninanana erantany ho an'ireo mpanao hacking ao Amerika Latina, no hotontosaina mandritra ity herinandro ity manerana ny firenena 8...
Miatrika Fanamby Vaovao Ny Politikam-Pifindra-monina Breziliana
Raha efa ela no niadian-kevitra tany Eoropa sy Etazonia ity resaka ity dia vao haingana kosa vao niha-nalaza ny lohahevitra momba ny fifindra-monina mankany Brezila. Efa fantatra ho firenena mpandray...
Andro 1 Amin'ny Fampandrosoana an'i Amerika Latinina 2012
Indro fa nanomboka tamin'ny 1 Desambra ihany ny Fampandrosoana an'i Amerika Latinina 2012 (#DAL2012). Tamin'ity taona ity ny hackathon rezionaly nomanin'ny Ciudadano Inteligente (Olompirenena Maranitra) Foundation [en] dia nentina tany amin'ny [en] firenena Amerikana Latinina 8: Arzentina, Bolivia, Brezila, Chile, Costa Rica, Meksika, Però ary Orogoay. Indro zaraina ny tatitry ny andro voalohany.