Tantara mikasika ny Arzantina tamin'ny Novambra, 2012
Hitsidika An'i Pero, Arzantina ary Shily Ny Hazakazaka Dakar 2013
Nandritra ny dimy taona nifanesy, ny Fikambanana Dakar dia nisafidy ny faritra Amerika Atsimo ho ao anatin'ny fifaninanany ivelan'ny làlam-be iraisana. Hamakivaky firenena telo ny làlan'ny 2013 : Pero, Arzantina ary Shily.
Mapa76 : Asa Fanavaon-gazety Angona Mampiseho Ny Fanararaotam-pahefan'ny Jadona Tao Arzantina
Mitàna andraikitra fototra amin'ny asam-panadihadiana fanaon'ny gazety ao Arzantina hanadihadiana ny lasa sy ny ankehitrinin'ny firenena ny fanaovan-gazety angona [journalisme de données]. Paula Gonzalo ao amin'ny Periodismo Ciudadano [amin'ny teny espaniola] nanipika ny asan'ilay mpanao gazety Sandra Crucianelli mikasika izany ary nampahafantatra ny tetikasa Mapa 76, sarintany ahafahana mamantatra toerana sy manangom-baovao mikasika...
Anaran-tsehatra: Fanehoan-kevitra Mendrika Ho Arovana
Ny Initiative for Freedom of Expression on Internet (iLEI, ho an'ny anarana Espaniola niaviany), fandaharanasa manokana an'ny Foibe Fandinihana ny Fahalalahana Maneho Hevitra sy ny Fidirana Hahazo Vaovao ao amin'ny Anjerimanontolon'i Palermo ao Arzantina, dia manana asa vaovao ibanjinany ny fifandraisana misy eo amin'ny fahalalahana maneho hevitra, ny anaran-tsehatra, ary ireo karazany maro samihafa noraisin'ny firenen-tsamihafa hitantanana azy ireny.
Fisaintsainana Taorian'ny Hetsi-panoherana #8N Tao Arzantina
Amin'ny alàlan'ny Twitter sy bilaogy, ireo teratany Arzantina (sy vahiny sasany) no nandalina ny ankehitriny sy ny ampitson'ny firenena taorian'ny hetsi-panoherana goavana manohitra ny governemanta, natao ny 8 Novambra 2012 teo (#8N).
Nampidinina ho 16 taona ny taona fahafaha-mifidy tao Arzantina
Ny 1 Novambra,2012, nankatoavin’ ireo Mpanao lalàna arzantina, ny lalàna momba ny taona hahafaha-mifidy ho 16, na dia izany aza anefa ny fifidianana dia tsy maintsy atao ho an'ny olona mihoatra ny 18 taona. Namoaka ireo fiovàna hita ao amin'ny lalàna 26774 mikasika ny maha-olompirenena arzantina izay manitatra ity fahafaha-mifidy ity ilay...
#8N: fanoherana faobe tany Arzantina
Ny 8 novambra lasa teo dia nahitana fanoherana faobe vaovao indray nanerana an'i Arzantina, nomena ny anarana hoe 8N, nampitoviana amin'ny daty nanombohan'ny fanoherana. Tambajotra sôsialy marobe no niantso ny vahoaka, ary nandritra ny andro manontolo no nivoaka tamin'ny twitter ny fanehoan-kevitra maro, sary, fanadihadihana, ary sarimihetsika, afaka arahana amin'ny...