· Jona, 2018

Tantara mikasika ny Arzantina tamin'ny Jona, 2018

Amerika Latina :Ny Olan'ny Fampiasàna Ankizy – Andiany I

  20 Jona 2018

Zava-misy marina mampalahelo ny fampiasana ankizy ao Amerika Latina ary, matetika, efa tena zatra mahita izany ny mponina ao amin'ny firenentsika hany ka tsy manao na inona na inona intsony. Iza no tsy efa nampiasa ireo mpamafa kiraro na ankizy hiambina ny fiarany ? Nisy ny fanentanana maro sy fepera hafa ho fanovàna ny toe-draharaha misy. Ho fankalazàna ny Andro manerantany 2009 Hiadiana amin'ny fampiasàna ankizy ny 12 Jona, nivondrona ny mpikambana ao amin'ny rantsana latino-Amerikana ao amin'ny Global Voices hanoratra lahatsoratra sy hizara rohy maro mikasika ny zava-misy ao amin'ny fireneny misy azy avy ao amin'ity andiany voalohany ity

Fanakonam-bolana nanome aingam-panahy ireo bilaogeran-dahatsary

  11 Jona 2018

Nampiseho ny takonam-bolana feno ny lahatsary avy amin'ny firenena samihafa, raha toa ka sendra tsy nahita izany ianao na raha mbola mahatsiarotsiaro indray ilay fotoana. Niseho ny 20 Febroary  ilay hany takonam-bolana hitantsika ny taona 2008, sady ilay farany mandra-pahatonga ny 21 Desambra 2010 .

Ny Amboarampeo Virtoaly: Teknolojia, fiaraha-miasa ary mozika

  07 Jona 2018

Ilay mpamoron-kira Eric Whitacre , rehefa nahita ny lahatsary Youtube nampiseho ny tanora mpihira soprano iray mihira ny hira hoe "Sleep" dia nanontany tena hoe: nahoana moa raha miantso olona na aiza na aiza misy azy ireo eto amin'izao tontolo izao, handrakitra ireo andiany hafa ny amin'ny amboarampeo a capella?