· Novambra, 2018

Tantara mikasika ny Arzantina tamin'ny Novambra, 2018

Fiarahaban'ny vehivavy!

Azo antoka fa tsy mila miteny Espaniôla ianao vao hahatsapa ny volo mitsangana ao amin'ny tendanao rehefa mijery ity lahatsary mampihetsi-po ity, izay novokarin'ilay bilaogera Arzantiniana Malearg, ary mitantara ny fandrosoana sy ny zava-bita nataon'ireo vehivavy manerana izao tontolo izao.

30 Novambra 2018

Arzantina: 20 taonan'ny sarimihetsika sy sarimiaina “El Mate” maimaim-poana any an-tsekoly

Nandritra ny 20 taona mahery, ankizy sy zatovo Arzantiniana an-jatony maro no nianatra momba ny fanaovana horonantsarimihetsika sy sarimiaina izay tafiditra ao anatin'ny fandaharana Taller de Cine El Mate, ary ahafahan'ireo ankizy avy ao amin'ny kaominina Vicente López ao Buenos Aires mandray anjara sy mitrandraka ny dingana fanaovana filma maimaim-poana.

26 Novambra 2018

Diarin'ny Fifampiraharahana: Zava-baovao niainan'i Arzantina mikasika ny Blaogy sy Politika

Iray amin'ireo andrana mahaliana indrindra izay nipoitra ho toy ny làlana mba hampiraisana ny blaogy amin'ny politika ny Diario de Gestión (Gazetin'ny Fifampiraharahana). Raha tsorina, tranonkala izay manolotra blaogy maimaimpoana ho an'ny mpanao lalàna nasionaly na eo an-toerana izy io. Efa 12 izao ireo mpanao lalàna mitoraka blaogy ao amin'izany.

13 Novambra 2018