Tantara mikasika ny Arzantina tamin'ny Marsa, 2011
Hollaback!Fampiasaina finday hisorohana ny herisetra eny an-dalambe
Tranga tsy mbola fahita tany aloha ahafahana mampitsahatra herisetra ara-nofo eny an-dalam-be ny fisian'io "fipoahana teknolojia teo amin'ny finday io". Namporisika ny vehivavy manerana izao tontolo izao mba hampiasa an'ireo fitaovana eo am-pelantanan''izy ireo ireo io tetikasa io mba ahafahan'izy ireo mizara ny tantarany, manao tatitra sy mamaritra ny toerana nitrangan'izany toe-javatra izany.
Japana: Firariantsoa sy Vavaka atao amin'ny alalan'ny lahatsary
Ho setrin'ny toe-draharaha any Japana taorian'ny horohorontany, tsunami ary ny krizy nokleary dia nitodika tany amin'ny lahatsary sy ny mozika ny olona ho fomba hanehoany firariantsoa tsara indrindra sy ho fanohanana ny vahoakan'i Japana
Arzantina: 35 taona Aty Aoriana, Ho Ela Velona Anie Ny Fetibe Karnavaly!
35 taona aty aoriana, miverina indray ny fankalazana ny fetiben'i Arzantina, ary noho izany dia misy ny fifaliana sy firavoravoana. Ny 7 sy 8 Martsa dia nankafy ny fialantsasatry ny fetibe ireo Arzantina rehetra, maro ireo zavatra mbola tsy fahita hatr'izay.