· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Arzantina tamin'ny Oktobra, 2018

Feo avy ao amin'ny Wiki

Ampahany amin'ny majikan'ny olombelona sy ny ara-teknika ahafahan'ny Global Voices miasa ny wiki velona, izay ahafahan'ny mpiserasera manerantany milaza amintsika momba ny bilaogy sy ny tranonkala tokony hodinihantsika, sy ahafahantsika miara-manova tahirin-kevitra toy ny ny Torolàlana ho an'ny bilaogy tsy mitonona anarana.

24 Oktobra 2018

Fitetezana bilaogy manerantany isaky ny alarobia (jona 2006)

Manana sary avy ao amin'ny tranoben'ny Fitsarana Tampony ao Bishkek, Kirghizistan i Nathan ao Registan, izay olona an-jatony no nanafika ny tranobe mba handroaka ireo mpanao fihetsiketsehana izay nibodo ny trano hatramin'ny volana Aprily. (Nitaky ny fialàn'ireo manampahefana rehetra notendren'ny filoha teo aloha Akayev ireo mpanao fihetsiketsehana.)

18 Oktobra 2018

Fanentanana momba ny SIDA amin'ny alàlan'ny lahatsary

Aretina mandripaka maneran-tany izay namotika ny fiainan'ny lehilahy, vehivavy ary zaza maro nandritra ny 20 taona mahery ny VIH/SIDA. Anndroany, mitondra lahatsary ho anao izahay, izay miresaka momba ny VIH/SIDA amin'ny endriny maro samihafa: ahoana no hiainana izany, hiarovana ny tenanao tsy ho tratrany ary ahoana no hanentanana momba izany. Avy any Kamerona, hira nahazo loka voalohany tamin'ny resaka SIDA, avy any Arzantina, hetsi-panentanana izay tsy matahotra ny milaza amin'ny tanora ny atao hoe kapaoty sy ny fomba fampiasana azy, ary avy any Beijing, lahatsary mikasika ny fanavakavahana, miaina miaraka amin'ny SIDA ary ny tanjaka hahatonga ilay toedraharaha ho an'ny besinimaro.

17 Oktobra 2018

Arzantina: Ny voina nahazo ny fianakaviana Pomar

Tao anatin'ny herinandro vitsy, nitatitra betsaka ny fanjavonan'ny fianakaviana Pomar ny fampitam-baovao ao Arzantina. Ny 14 Novambra 2009, nandeha fiara nankany Pergamino, 220 kilometatra miala an'i Buenos Aires i Fernando Pomar, ny vadiny Gabriela Viagrán, ary ny zanany roa vavy Candelaria sy Pilar ary nanjavona rehefa nandalo lalana handoavana hetra.

01 Oktobra 2018