Fisaintsainana Taorian'ny Hetsi-panoherana #8N Tao Arzantina

Mandalina ny ankehitriny sy ny hoavin'ny fireneny i Arzantina taorian'ny hetsi-panoherana mafonja manohitra ny governemanta, natao ny 8 Novambra 2012 teo.

Lohahevitra iray iraisana hita any anaty fisaintsaina maro samihafa any ny fisianà tendro mifanohitra sy ny fisamahan'ny fiarahamonina ho lasa misy mpomba ny governemanta sy mpanohitra. Sebastián Waisbrot ao amin'ny bilaoginy Catdevmind [es] manoratra hoe:

La división en Argentina es difícil de explicar. Puedo afirmar, sin duda alguna, que hay muchísimo más fanatismo político de lo que jamás vi en mi vida. También la sociedad está bastante dicotómica: gente a favor o en contra del gobierno actual, con pocas divisiones dentro de esos grupos, o por lo menos poca discusión.
Como ejemplo de este fanatismo, es la primera vez que entiendo por qué en la mesa no se discute de política. Grupos de amigos dividido, gente que se deja de ver, momentos incómodos. ¡Gente que se borra de Facebook!

Sarotra hazavaina ny fisamantsamahana aty Arzantina. Azoko hamafisina, tsy isalasalàna, fa misy fanarahana am-bokony ara-politika tafahoatra ao, mihoatra lavitra noho izay hitako teo amin'ny fiainako. Efa somary fiarahamonina mizara roa koa izy izao: ireo vahoaka mpomba na mpanohitra ny governemanta mijoro, miaraka aminà ampahany kely eo anelanelan'izy roa ireo, na farafaharatsiny fifanakalozan-kevitra bitika kely eo anelanelan-dry zareo ireo. Ho ohatra amin'ity fanarahana am-bokony ity, dia sambany izao mba nahafantarako ny antony tsy niresahan'ny olona politika eo an-databatra fikarakarana sakafo. Mizarazara ireo vondronà mpinamana, mitsahatra tsy mihaona ny olona, fotoana mahavalalanina. Ny olona sasany tonga mihitsy amin'ny fibahanana namana ao amin'ny Facebook!

Ao amin'ny lahatsorany “Voazarazara“, malahelo mafy i Matias Gonzalo [es] amin'ny fifankahalàna misy eo anatin'ny fiarahamonina:

El odio hacia el prójimo nos moviliza, y eso es lo que nos hace perder la humanidad. El desprecio simplemente divide más y más, y hoy no somos más que una población de necios, disfrazados de Nación. Ciegos y sordos consecuencia de un fanatismo insoportable, ya sea por el fanatismo de que todo está bien, como el fanatismo de que todo está mal.

Ny fankahalàna olona iray izao no mibaiko antsika, ary izany no mahatonga antsika manary ny maha-olona. Tsy manao afa-tsy ny mampizarazara antsika bebe kokoa ny fanaovana zinona, ary izao isika dia tsy inona fa vahoaka adala, firenena iray mankaloiloy. Jamba sady marenina, fiantraikany ratsy avy amin'ny fanarahana am-bokony, na io fanarahana am-bokony ny ‘mandeha tsara ny zavatra rehetra‘, na fanarahana am-bokony ny ‘tsy misy na inona na inona mandeha‘.

Matias mamintina hoe:

Hoy somos extremos, somos gorilas [anti-peronistas], somos peronistas, somos K [a favor de Kirchner], somos anti-K, somos 8N, somos 7D [7 de diciembre, día en que arranca la nueva Ley de medios]. Somos todo, menos una sociedad.

Tena mpanao hiringiriny isika ankehitriny,  gorilas [mankahala Peronists] izahay [es],  peronistas [Peronists] izahay, izahay kosa K [mpomba an'i Kirchner], izahay mankahala K, 8N izahay, izahay 7D [7 Desambra, andro fidirana an-tsehatry ny lalàna vaovao momba ny fampahalalam-baovao]. Izao rehetra izao isika, afa-tsy ny hoe fiarahamonina.

Protesta 8N

Hetsi-panoherana 8N , Sary: Martin E Iglesias tao amin'ny Flickr, ampiasàna ny  Creative Commons license (CC BY-NC-ND 2.0)

Ireo olon-tsotra avy amin'ny firenena hafa koa dia nandalina ity fifandonana sy fisamantsamahana ity, toy ilay Kolombiana bilaogera, Jenny Manrique [es] ao amin'ny Americas Quarterly :

La polarización se exacerbó en estos dos años en modo y forma complejos, a tal punto que los interlocutores se han convertido en enemigos y los discursos están llenos de odio.

Nihahenjana ny fitsitokotokoana tato anatin'ny taona roa, ary tamin'ny fomba saro-bahàna, tonga amin'ny teboka izay anaovan'ny andaniny sy ny ankilany kabary feno fankahalàna.

Nandalina ny dindon'ireo roa  mpisehatra ara-politika ao anatin'ilay hetsi-panoherana  #8N [es] ihany koa izy :

Algunos cargaban pancartas con términos desobligantes: “Fuera Cristina”, “Andate Yegüa”, “Abajo la dictadura de Argenzuela”. Términos que tienen una cargada connotación si se tiene en cuenta que este país vivió una de las dictaduras más cruentas en América Latina.

Y al otro lado el oficialismo que considera las demandas una expresión del “corporativismo mediático” que no se agrupa alrededor de una idea coherente y que no reconoce que tiene detrás una “mano negra política” como el macrismo (de Mauricio Macri, intendente de Buenos Aires, gran opositor de los Kirchner y cuyo modelo es de derecha.)

Ny sasany milanja sora-baventy misy teny manahirana : “Mialà Cristina”, “Ndeha mandeha any i bi…”, “Arodany ny jadona ataon'ny Argenzuela [fanafangaroana ny teny hoe Argentina sy Venezuela] “. Teny izay mitondra hafatra mazava raha toa raisinao ny hoe ity firenena ity  dia nandalo jadona iray isan'ny nahalatsahan-drà be indrindra taty Amerika Latina.

Ary etsy ankilany, ny governemanta mandray ireny fitakiana ireny ho toy ny fanehoana ny “fiarovana ny tombontsoan'ireo media mpiara-dia”, izay tsy mitambatra manodidina hevitra iray matotra na tsy manaiky fa ao ambadik'izy io dia misy “tànana mpanao politika manetsika” toy ny “macrism” (avy amin'ny Mauricio Macri, Ben'ny tànanan'i Buenos Aires sady mpanohitra ngezalahy an'i Kirchner, ary ny lasitra [ara-politika] arahany dia avy amin'ny Ankavanana.)

Ao amin'ny bilaogy Cuadernos de la Ira [es], ilay Shiliana bilaogera, Jorge Muzam, manoratra hoe :

Los bandos en conflicto son feroces para embestirse y desacreditarse. Por un lado, están los que apoyan al actual gobierno de Cristina Fernández, y por otro lado todo el resto, que son en esencia una variopinta barriada cultural de pensamiento derechista

Ireo rantsana mpifanenjana dia samy gaigilahy amin'ny fanaratsiana ny ankilany. Amin'ny lafiny iray, dia misy ireo izay mandàla ny governemanta ankehitriny tarihan'i  Cristina Fernández, ary amin'ny lafiny iray hafa dia ireo ambiny, izay amin'ny ankapobeny dia mpandàla fatratra ny kolontsain'ny elatra havanana

Agrupaciones kirchneristas acompañando a la Presidenta Cristina Fernández en el día de la bandera. Foto: Laura Schneider.

Vondrona Kirchnerist nanaraka ny Filoha Cristina Fernández de Kirchner nandritra ny fankalazàna ny Andron'ny Saina (m-pirenena). Saryo: Laura Schneider.

Tambajotra iray ampiasain'ireo Arzantina hanehoana ny fomba fijeriny ihany koa ny Twitter. Ny 9 Novambra, taorian'ny fhetsiketsehana 8N, nanoratra ny Filoha Cristina Fernández de Kirchner (@CFKArgentina) [es] hoe :

@CFKArgentina: En esta semana han ocurrido dos hechos importantísimos: uno es la elección del Presidente de USA, primera potencia del mundo.

@CFKArgentina [es]: Hetsika goavana roa no nitranga tamin'ity herinandro ity : ny iray dia ny fahalanian'ny Filohan'i Etazonia indray, ilay mahery eto amin'izao tontolo izao.

Ary Ramiro Castañeda (@ramiroski_) [es] namaly hoe :

@ramiroski_:  @CFKArgentina hubo un hecho muy importante, el pueblo argentino demostró tener carácter y valentía para exigirle a sus ineptos gobernantes.

@ramiroski_: @CFKArgentina Nisy zavatra iray mbola nanan-danja lavitra, naneho herin-tsaina sy fahasahiana ny vahoaka Arzantina mba hitakiana [asa avy ] amin'ireo mpitondra tsy alehany.

Horacio Elsinger [es], ao amin'ny lahatsorany “Mitovy ihany ny zava-misy aty aorian'ny 8N?” [es], mamintina hoe :

El gobierno conserva toda su fortaleza, pero no debe dormirse en los laureles. La mejor manera de defender y consolidar el terreno ganado es seguir avanzando en la transformación del país.

Mbola voatazon'ny governemanta ny heriny rehetra, saingy tsy tokony hatoritory izy. Ny fomba tsara indrindra hiarovan-tena sy ho fanamafisana izay efa azo dia ny manohy mandroso amin'ny fanovàna ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.