· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Azia Afovoany sy Kaokazy tamin'ny Oktobra, 2018

Azerbaijan : Lahatsary Fanentanana Ho Famotsorana An'ireo Mafana Fo Nofonjaina

  15 Oktobra 2018

Ny fitazonana vao haingana an'ireo roa mafana fo amin'ny tambajotra sy mpitarika ny hetsiky ny tanora ao Azerbaijan, tamin'ny herinandro lasa teo, dia nampisy fahaketrahana tamin'ireo blaogera sy ireo mafana fo tao anatiny ary tany ivelan'i Azerbaijan, ary ankehitriny, fanentanana lahatsary iray no nalefa mba hiantsoana ny governemanta azeri hihetsika mba hamotsotra an'ireo tomponandraikitra roa avy amin'ny hetsiky ny tanora: Adnan Hajizada sy Emin Milli.

Kazakhstan: Mankany amin'ny fanjavonan'ireo banky tsy miankina ?

  11 Oktobra 2018

Tato ho ato, nitrangàna zavatra maro mahalasa saina tany amin'ireo banky kazakh sy ny vidin'ny petrabola kazakh. Nampirodana ny sandan'ny petrabolan'ny banky telo ny famoahana vaovao mampiady hevitra sy tsy nisy fotony, ary niteraka ny fandraisana ho fananam-panjakana ireo banky roa lehibe tsy miankina.

Azerbaijan: Tafaverina ny tranonkala malaza — tsy nasiana forum

  10 Oktobra 2018

Taorian'ny andro maromaro nikatonana, tafaverina ny tranonkala Azerbaijani tsy miankina malaza momba ny adihevitra sy vaovao, Day.az. Na izany aza, mitohy ny fanontaniana tamin'ny nanjavonany vetivety, tsy toy izany kosa ny forum ao amin'ny tranonkala- fantatra amin'ny adihevitra misokatra sy demokratika.

Hita eny rehetra eny ny antoko Armenia Feno Fanambinana!!!

  03 Oktobra 2018

Hatramin'ny "@21-03-2007 tamin'ny 09:07:00" nitatitra i Narjan fa niraikitra teo amin'ny rindrin'ny lapan'ny filoham-pirenena tao Yerevan ny teny hoe "DOD", izay nofafana haingana mba hanimbana ny fifalian'ireo bilaogera izay nankasitraka ny fahombiazan'ny asa fanadiovana, na dia izany aza.