Azerbaijan: Tafaverina ny tranonkala malaza — tsy nasiana forum

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Febroary 2009)

Taorian'ny andro maromaro nikatonana, tafaverina ny tranonkala Azerbaijani tsy miankina malaza momba ny adihevitra sy vaovao, Day.az. Na izany aza, mitohy ny fanontaniana tamin'ny nanjavonany vetivety, tsy toy izany kosa ny forum ao amin'ny tranonkala- fantatra amin'ny adihevitra misokatra sy demokratika.

Ampitson'ny nanakatonana ny Day.az, nilaza ny maha zava-dehibe ny forum ilay mpisera Zaur ao amin'ny bilaogy Web Designers.

Скорее всего это связанно с референдумом который намечается на 18 Марта, какое совпадение, ровно через месяц! … блокирование ресурса в котором могло отразится массовое недовольство граждан(пользователей портала) Азербайджана с …референдумом…

Azo inoana fa nisy ifandraisany tamin'ny fitsapankevi-bahoaka tamin'ny 18 Martsa [izay hametraka fiadidiana tsy voafetra ao Azerbaijan] ny fanakatonana: tena fifanojoana tokoa fa [nakatona ny day.az] iray volana katroka talohan'ny [fitsapa-kevi-bahoaka]. Manakana loharanom-baovao ahafahan'ny olom-pirenena maneho ny tsy fifaliany momba ny fitsapa-kevi-bahoaka […].

Manoratra ao amin'ny Amnesty International USA Blog talohan'ny nanokafana indray ny Day.az tamin'ny 26 Febroary, nanamarika fihetsika sasany mampiady hevitra tao amin'ny forum ihany koa aho:

One of the most popular online portals in the entire former Soviet Union, the Russian-language forum at Day.az has had thousands of active users. One of the hottest sections of the forum has been “Armenia and Azerbaijan.”

In November 2004, as a Russian-language Armenian forum user reported at the time, the administration of the Day.az forum promoted its first Armenian moderator, Arthur, giving him the privilege to delete/edit offensive and/or unrelated content from discussions.

The appointment was indeed unprecedented, as the Russian-language announcement from the Day.az forum administrator explained […]

Another, more recent, controversial move at the forum has been the creation of a private section where users with over 500 posts could discuss and post adult content.

[…]

Iiray amin'ireo vavahadin-tserasera malaza indrindra ao amin'ny Firaisana Sovietika manontolo teo aloha, nanana mpiserasera an'arivony mavitrika ny seha-pifaneraserana miteny Rosiana ao amin'ny Day.az. Iray amin'ireo fizarana mafapàna indrindra tao  amin'ny seha-pifanakalozana ny “Armenia sy Azerbaijan.”

Tamin'ny novambra 2004, araka ny notaterin'ilay mpisera tao amin'ny forum Armeniana amin'ny teny Rosiana tamin'izany fotoana izany, nanome alalana ho an'ny mpandrindrany voalohany Armeniana, Arthur, ny fitantanana tao amin'ny Day.az mba hamafa/hanova izay votoaty manafintohina sy/na tsy misy ifandraisany amin'ny adihevitra.

Mbola tsy nisy toy izany ny fanendrena, araka ny fanazavan'ny fanambarana amin'ny teny Rosiana avy amin'ny mpitantana ny forum Day.az […]

Hetsika iray hafa mampiady hevitra, vao haingana tao amin'ny forum ny famoronana sehatra manokana izay ahafahan'ny mpiserasera manana lahatsoratra maherin'ny 500 miresaka sy mamoaka votoaty hoan'olon-dehibe.

Manoloana ireo hafatra isan-karazany navela tao amin'ny pejy fandraisan'ny tranonkala taorian'ny fanjavonany, maro amin'ny zavatra hita no mifanohitra tamin'ny nambara teo aloha milaza fa nakatona ny tetikasa manontolo, mbola sahiran-tsaina ireo mpamaky tahaka an'i Arzu ao amin'ny Flying Carpets and Broken Pipelines.

- If there were plans to sell the portal form the very beginning then why it wasn't explained or announced when the website first shut down and even before it was going to shut down? The editors could have continued working while the management changed hands?
– Why was it all kept in dark and on the website it said it was closed for technical reasons? Does changing management of the website has technical sides to it?

I don't know the answers but maybe soon it will become clear?

- Raha misy ny drafitra hivarotra ny vavahadin-tserasera tany am-boalohany, nahoana no tsy nohazavaina na nambara tamin'ny fanakatonana voalohany ny tranonkala sy talohan'ny nanakatonana azy? Mbola afaka nanohy niasa ny mpandrindra raha niova ny fitantanana?
– Nahoana no notazonina tao anaty haizina sy tao amin'ny tranonkala izany rehetra izany, nolazaina fa nakatona izy noho ny antony ara-teknika? Misy lafiny ara-teknika ve ny fanovana fitantanana ny tranonkala?

Tsy fantatro ireo valiny fa angamba tsy ho ela dia hazava izany?

Amin'izao fotoana izao, raha maro no matoky fa tsy hitovy amin'ny taloha intsony ny tranonkala rehefa nambara fa hipoitra indray ny tranonkala, Ali S. Novruzov ato amin'ny Global Voices naneho hevitra tao amin'ny lahatsorany voalohany Frontline Club fa ny tsy fisian'ny forum no fiovana miavaka indrindra.

Day.az reopened today, but its famous forum has been divorced from it and moved to 600min.az, a former sister site of former day.az. […]

Niverina nisokatra androany ny Day.az, saingy nisaraka taminy ny forum malaza tao aminy ary niova ho 600min.az,, tranonkala hafa an'ny day-az teo aloha. […]

Saingy raha manontany tena ny sasany fa mety ho ny forum no anton'ny fanakatonana ny Day.az, mbola tsy voavaly kosa ny maro tamin'ireo fanontaniana mikasika ny fanjavonany voalohany .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.