· Marsa, 2018

Tantara mikasika ny Azia Afovoany sy Kaokazy tamin'ny Marsa, 2018

Ozbekistana : Fikorontanan'ny Politikan'Ny Raharaham-Bahiny

  18 Marsa 2018

Kihon-dalàna lehibe teo amin'ny politikan'ny raharaham-bahiny tao amin'ny firenena ilay fanafoanana tamin-kerisetra nataon'ny governemanta Ozbeka ny fihetsiketsehana iray tao Andijàna ny volana Mey 2005. Tsy navelan'ny governemanta hanao fanadihadiana mikasika ilay tranga ny Fiombonambe Eoropeana, ary taorian'ny fanoherana mafy nataon'ny governemanta Amerikana ny “tsy fanajàna ny zon'olombelona fototra”, noteren'i Tashkent hakatona ny tobin'ny tafika an'habakabaka Amerikana tao Khanabad.

Kyrgyzstan: Oniversite Sangany, Ivon'ny Adihevitrin'ny Parlemanta.

  18 Marsa 2018

"Afaka manome antoka ny mpamaky aho fa avy amin'ny kilasy sosialy antonony ny ankamaroan'ny mpianatra, maro amin'izy ireo no maazo fanampiana ara-bola mba handoavana ireo saram-pianarana. Mihevitra aho fa tokony hikarakara ireo olana goavan'ny firenena manontolo ny solombavambahoakantsika, fa tsy mandany fotoana betsaka amin'ny fampivoarana ivon-toerana..."

Kazakhstan: Miady Hevitra Momba Ny Milina Fikarohana Nasionaly Ny Bilaogera

  14 Marsa 2018

Nanoratra tao amin'ny bilaoginy, natokana hiresahana momba ny olan'ny fampandrosoana ny Teknolojiam-baovao ilay bilaogera Kazakhstani Nurlan, niresaka momba ilay antsoina hoe "KazNet" mety hanana ny milina fikarohany tsy ho ela izy ary nanonona dokambarotra napetraka tao amin'ny tranonkala ofisialin'ny Sampam-panjakana ho Fampiasana Solosaina sy ny Fifandraisana (AIC).

Azerbaijan: Antsafa Nifanaovana Tamin'i Arzu Geybullayeva

  07 Marsa 2018

Na dia teo aza ny tsindrimpeo azony avy amin'ny fanabeazana tany Etazonia sy tany amin'ny Fanjakana Britanika , Arzu Geybullayeva, izay mpandalina ny faritra amin'izao fotoana izao, dia lasa iray amin'ireo bilaogera fanta-daza indrindra any Azerbaijan miaraka amin'ny bilaoginy Flying Carpets and Broken Pipelines .