Tantara mikasika ny Mpitsoa-ponenana tamin'ny Desambra, 2015
Tantara fito tato amin'ny Global Voices be mpamaky indrindra nandritra ny taona 2015 (teny anglisy)
Tsy vitan'ny hoe nahasarika ny mpamaky indrindra ireto tantara manaraka ireto fa an-jatony ireo nizara, naneho hevitra, nankasitraka azy ireo tao amin'ny media sosialy sy ny haba-tranonkalanay.
Ny Tolon'ny Kiobàna Mpifindra-monina Mihoatra Ny Arivo Tafahitsoka Tao Amerika Afovoany
Kiobàna manakaiky ny 1.500 no tafahitsoka tao amin'ny sisintany manasaraka an'i Costa Rica sy Nikaragoa, rehefa nolavin'i Nikaragoà ny fidiran'izy ireo, ary nampody azy ireo an-kerisetra sady naneho marimarina ny hoe "fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena."
Satria Tsy Mety Mandray Mpitsoa-ponenana Fanampiny i Japana, Niparitaka Ny Sary Namboarina Misy Fankalahana
Na dia nahatsikaritra sy nanitsy sary iray namboarina hitsikiana amin'ny teny anglisy momba ny famerana ataon'ny Japana amin'ny Miozolomana aza ny mpiserasera aterineto, lavitry ny marina ny hoe manoka-baravarana tanteraka amin'ny mpifindramonina sy mpitsoa-ponenana i Japana.
Mpihira Tajik iray miantso an'izao tontolo izao tsy hanadino an'i Aylan Kurdi
Antsin'iza no ao am-poko sy ny masoko? Firenena iza no ilevenan'ny vatako manirery?'
Tsapan'ny Fianakaviana Syriana Iray Nanorim-ponenana Ao California ny Fangatsiatsiahana Taorian'ny Toe-Javatra Tao Parisy
Miha-mahafinaritra ny fiainana ho an'ity fianakaviana Syriana nanorim-ponenana tao California ity, saingy miahiahy izy ireo fa mety tsy hahazo fahazoan-dalana ny fianakavian'izy ireo, izay manantena hihazo an'i Etazonia ihany koa atsy ho atsy.