Tantara mikasika ny Mpitsoa-ponenana tamin'ny Novambra, 2013
Te-Hitolo-Batana Any Shina Indray Ilay Mpitolon'i Tiananmen Saingy Voatosi-Bohontanana
Nangataka ny ho aondrana any Shina Tanibe i Wu'er Kaxi rehefa nitolo-batana tanmin'ny governemanta tany Hong Kong. Saingy naverina tany Taiwan izy fotoana fohy taorian'izany.
Yemen: Fitiavana Anaty Fotoan'ny Safotofoto
Ilay Saodiana Huda sy ilay Yemenita Arafat no Romeo sy Juliette amin'izao andro maoderina izao, Noon Arabia no mitatitra
Taorian'ny Loza Voajanahary Haiyan, Mitaky Fanampiana Sy Rariny Ho An'ireo Niharan'ny Fiovàn'ny Toetrandro i Filipina
Raha mbola mitohy mangataka fanampiana noho ny fiantraikan'ilay rivodoza mahery vaika Haiyan i Filipina,maro koa ireo Filipinos no nangataka ireo mpitondra erantany mba hiatrka ny fiovaovan'ny toetrandro
SARIPIKA: Miandry Fanampiana Fatratra Ny Sisam-patin'ny Rivodoza Mahery Vaika Ao Filipina
Reraka sy noana, misy ireo sisa niangana tamin'ny tafiotra mahery vaika no lasa mandroba toeram-pivarotana sy ny fitehirizan'entan'ny governemanta mitady hanina, rano ary ny filàna fototra hafa.
SARIPIKA: Tantara Fohy Dimy Mikasika Ny Siriana Mpitsoa-ponenana
Saripika dimy milaza tantara no nofidian'i Rami Al Hames ho enti-mandravaka ny fiainana mafy sy ny tena zava-misy lalovan'ireo Siriana mpitsoa-ponenana lavitry ny trano fonenany.
Fomba Hanampiana Ireo Tra-boina Tamin'ny Rivodoza Tao Filipina
An'aliny no maty ary an-tapitrisa no tsy manana hialofana taorian'ny nandalovan'ilay rivodoza mahery vaika tao Filipina tamin'ny herinandro lasa. Indreto ny fomba sasantsasany ahafahanao manampy.
Filipina, Fanontanian'ireo Sisam-patin'ny Rivodoza: ‘Aiza ny Mpitondra Antsika?’
Miraraka ny fanampiana avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao, saingy mitaraina kosa ireo tra-boina tamin'ilay rivodoza fa tsy mbola naharay ry zareo na dia fanampiana kely avy amin'ny governemanta aza
SARIPIKA: Tanàna Ravan'ny Rivodoza Tao Filipina
Manomboka mivoaka tsikelikely amin'ny alàlan'ny sary sy tatitra alefan'ireo mpanao gazety sy ireo sisam-paty ny fiantraikan'ilay rivodoza Haiyan.
SARIPIKA: Nandrava Ny Afovoan-tanànan'i Filipina Ny Rivo-doza Mahery Vaika Haiyan
Vao herinandro vitsy taorian'ny loza navelan'ny hovitrovitry ny tany, nandrava tao Visayas, ao Filipina. ny rivo-doza mahery vaika indrindra manerantany