Tantara mikasika ny Mpitsoa-ponenana tamin'ny Oktobra, 2010
Gresy: Mitokona tsy hihinan-kanina ireo mpitsoa-ponenana Iraniana
Mpitsoa-ponenana Iraniana dimy ambiroampolo ao Athens, Greece no nitokonana tsy hihinan-kanina nanomboka ny 14 Oktobra mangataka amin'ny manampahefana Grika mba handinika ny antontan-taratasy fangatahan'izy ireo fialokalofana ara-politika. Nanjaitra ny vavany ny sasany amin'izy ireo.
Fivahinianana iray ho an'ny feon'ireo tsy mba re amin'ny fananganana indray an'i Haiti
Solidar'IT ao Haiti dia fivahinianana iray ho an'ny feon'ireo tsy mba re amin'ny fananganana indray an'i Haiti, natsangana ho toy ny fanadihadina an-tranonkala mitohy.
Shina sy Tibet: Demaokrasia an-tsesintany
Misy fahabangana amin'ny endrika maro izany hoe Tibetana an-tsesitany izany: very tanindrazana sy very zo koa ao anatin'izany. Amin'ny lafiny sasany ihany koa anefa dia toy ny fitahiana miova tava ihany izany fahabangana izany. Nihamafy ny fiavaham-pirenena, ny fahalalaham-pitenenana sy ny fampielezana ny fivavahany tsy misy tahotra fanenjehana ary ny fahafaha-mifidy ho an'ny Tibetana mialokaloka any Dharamshala. Tsy mba mizaka ireo rehetra ireo kosa anefa ny Tibetana mbola mitoetra any Tibet entin'ny Shinoa (foko) Han.