Tantara mikasika ny Mpitsoa-ponenana tamin'ny Septambra, 2019
Tsy resy lahatra tamin'ny tatitra nataon'ny BBC momba ireo Venezoeliana mpitsoa-ponenana ny governemanta ao Trinite sy Tobago
Tsy nankasitrahan'ny mponina tany an-toerana firy ny tatitra iray nataon'ny BBC momba ny mpifindra monina Venezoeliana tany Trinite sy Tobago. Maro no mahatsapa fa tsy mampiseho ny tena zava-misy marina momba ny toe-draharaha ny tatitra.
Ejipta: Bilaogera misalasala (2009)
Mitaky fahaizana mandanjalanja, fandeferana, ary fahamarinana ny fisalasalana. Nisafidy ny hisalasala i Mona Eltahawyary ary mangataka amin'ny olona mba hisafidy vahaolana i Amr Gharbeia.
Olona an-tapitrisany ao Assam avaratra atsinanan'i India atahorana ho very zom-pirenena
Manodidina ny 1,9 tapitrisa eo ireo olona mety hiharan'ny tsy fananana zom-pirenena ao amin'ny fanjakana avaratra atsinanan'i India, Assam rehefa avy nesorina tao amin'ny Rejistra Nasionalin'ny Olom-pirenena (NRC) nohavaozina.
Syria: ao an-tsainay i Gaza (2009)
Maresaka be ny bilaogera Syriana hatramin'ny nisian'ny daroka baomba tany Gaza. Ho an'ny Syriana maro, noho ny fakana maripanondroana miorim-paka lalina sy ela tamin'ny vahoaka Palestiniana izany. Ho an'ny sasany indray, misy ny lafiny tena manokana
Manapaka ny servisim-pinday ho an'ny Rohingya i Bangladesh
Nanome baiko ny orinasam-pifandraisandavitra ao aminy ny governemanta Bangladeshita hanapaka ny fidirana finday any amin'ny toby Rohingya amin'ny lazaina ho ‘fiarovam-pirenena'.
Ady mafy vao nahazo anjaran-tsehatra ao amin'ny ‘Fast and Furious 9′ ity mpanao haiady avy any Kamerona ity
Hipoitra ao amin'ny “Fast and Furious 9” ka hitoetra ho Afrikana faharoa hivoaka amin'ilay andian-tantara ity mpiadin'ny Ultimate Fighting Championship (UFC) sy ny Mixed Martial Arts (MMA) avy ao Kamerona ity.