Tantara fito tato amin'ny Global Voices be mpamaky indrindra nandritra ny taona 2015 (teny anglisy)

Memes widely shared in solidarity with the victims of the Paris attacks.

Sary namboarina niparitaka vetivety ho firaisankina amin'ireo niharam-boina tamin'ny fanafhana tao Paris.

Tantara amin'ny teny anglisy mihoatra ny 2560, voadika in-10.000 amin'ny fiteny 40 samihafa no voazaran'ny fikambanana izay maro an'isa ny mpirotsaka an-tsitrapo.

Ny tantara fito be mpamaky indrindra amin'ny teny anglisy dia voajery mihoatra ny in-300.000 amin'ny salam-potoana dimy minitra eo ho eo. Tsy vitan'ny hoe nahasarika ny mpamaky indrindra izy ireo fa an-jatony ireo nizara, naneho hevitra, nankasitraka azy ireo tao amin'ny media sosialy sy ny haba-tranonkalanay.

1. Haiko tahaka ny araben'i Beirota ny araben'i Parisy [mg] avy amin'i Joey Ayoub

Some bodies are global, but most bodies remain local, regional, “ethnic”. My thoughts are with all the victims of today’s and yesterday's horrific attacks, and my thoughts are with all those who will suffer serious discrimination as a result of the actions of a few mass murderers and the general failure of humanity’s imagination to see itself as a unified entity.

Misy ireo vatana mahasehaka izao tontolo izao, saingy maro kosa ny vatana mitoetra ho ao an-toerana, na ao amin'ny faritra, na “ara-poko” ihany.

Ny eritreritro dia miaraka amin'ireo lasibatra tamin'ny fanafihana nampihoron-koditra nitranga zoma sy alakamisy teo, ary ny eritreritro miaraka amin'ireo rehetra ampijalian'ny fanavakavahana henjana dia henjana vokatry ny hetsika nataon'ireo vitsy mpandripa-bahoaka sy ny tsy nahavitan'ny zanak'olombelona hijery ny tenany ho singa iray tafaray.

2. Mpisera Facebook Ejypsiana Iray Nigadra Telo Taona Noho Ny Nanaovany Sofin'i Mickey ho Sofin'ny Filoha, Abdel Fattah El-Sisi [mg] avy amin'i Amira Al Hussaini

This photoshopped photograph of Egyptian president Abdelfattah El Sisi in Mickey Mouse ears has landed Facebook user Amr Nohan to three years in prison, according to reports

Sarin'ny filoha Ejypsiana Abdel Fattah El-Sisi namboarina ho Mickey Mouse ny sofiny, izay nahatonga ilay mpisera Facebook, Amr Nohan higadra telo taona an-tranomaizina, araka ny tatitra.

An Egyptian Facebook user has reportedly been sentenced to three years in prison by a military court for drawing Mickey Mouse ears on president Abdel Fattah El-Sisi and posting it on the popular networking site. Amr Nohan allegedly was charged with the all too common “attempt to overthrow the regime.” Online comments indicate that Nohan is a conscript, and that is why he was tried at a military court. Many Egyptians have reposted the Sisi/Mickey Mouse photograph, expressing their outrage over the sentence.

Voalaza fa nosazian'ny fitsarana miaramila  telo taona an-tranomaizina ny mpisera Facebook Ejypsiana iray noho ny fanaovana sarin'ny sofin'i Mickey Mouse teo amin'ny sofin'ny filoha Abdel Fattah El-Sisi sy namoaka izany tao amin'ny habaka tambajotra malaza. Voalaza fa voampanga amin'ilay mahazatra “fikasana hanongam-panjakana” ihany koa i Amr Nohan.  Milaza ny fanehoan-kevitra an-tserasera fa miaramila zazavao i Nohan, ka izany no anton'ny nitsarana azy tamin'ny fitsarana miaramila. Ejypsiana maro no namerina nandefa ny sarin'i Sisi/Mickey Mouse, maneho ny hatezeran'izy ireo noho ny didim-pitsarana.

3. Napoitran'ny fanadihadiana ny tambajotra sosialy fa miasa feno ny milina mpandefa hafatra ao amin'ny Twitter avy amin'i Kremlin avy amin'i Lawrence Alexander

Profile pictures from a large network of pro-Kremlin Twitter accounts. Image by Lawrence Alexander.

Sary mihorirana avy amin'ny tambajotra goavana mpanohana an'i Kremlin ao amin'ny Twitter. Sary avy amin'i Lawrence Alexander.

With the aid of open-source tools, Internet researcher Lawrence Alexander gathered and visualised data on nearly 20,500 pro-Kremlin Twitter accounts, revealing the massive scale of information manipulation attempts on the RuNet

Tamin'ny alalan'ireo fitaovana opne-source no nanangonana sy nahatazanan'ny mpikaroka an'aterineto Lawrence Alexander kaonty Twitter pro-Kremlin manakaiky ny 20.500 isa, mampiseho ny hagoavan'ny fikasana hanodina ny fikirakiram-baovao ao amin'ny RuNet.

4. Polisy Serba Sy Zazalahy Siriana Velon-tsiky: Mampiseho Amin'i Eoropa Ny Nandraisana Am-pifaliana Ireo Mpitsoa-ponenana [mg] avy amin'i Danica Radisic

The image was accompanied by a tweet quoting a Syrian refugee in Belgrade: "#Syrians are full of praise for #Serbian police. 'They're fair. They're the first who didn't treat us like animals'." Photo by Manveen Rana, used with permission.

Sary narahana bitsika mitanisa Siriana iray mpitsoa-ponenana ao Belgrady: “feno fiderana ireo polisy #Serba ireo #Siriana. ‘Tsy mitanila ry zareo. Izy ireo no voalohany tsy nitondra anay ho toy ny biby.'” Sary avy amin'i Manveen Rana. Fampiasàna nahazoana alàlana.

The image was posted to Twitter by BBC Radio 4 senior broadcast journalist Manveen Rana, who seems to have traveled to Serbia with a group of refugees from Greece. Rana's Twitter feed is filled with tales of the journey, from claims of refugees having been beaten by police in Greece to all-night bus rides and images of the makeshift camp in downtown Belgrade.

Manveen Rana, zokiolona amin'ny mpanao gazety ao amin'ny BBC Radio 4 no nandefa ny sary tao amin'ny Twitter. Toa nandeha nankany Serbia izy niaraka taminà andianà mpitsoa-ponenana avy any Gresy. Feno fitantarana ny diany ao amin'ny fahana amin'ny Twitter-n'i Rana, miainga avy amin'ireo fitarainan'ny mpitsoa-ponenana noho ny daroka nataon'ny polisy tao Gresy ka hatramin'ireo fandehanana fiara fitaterana manao lava alina sy ireo sary misy ny toby naorina tanaty hamehana ao afovoan-tanànan'i Belgrady.

5. Ny ‘Hakanton'ny’ Tsy Fahazakàna Lahy Tia Lahy Na Vavy Tia Vavy, Rosiana [mg] avy amin'i Kevin Rothrock

This man threatened to attack random homosexuals. Image via Lena Klimova.

Nandrahona ny hidaroka izay lahy tia lahy na vavy tia vavy izay hitany ity lehilahy ity. Sary avy amin'i Lena Klimova.

On April 20, Klimova unveiled a photo album, titled “Beautiful People and What They Say to Me,” where she posted publicly available pictures of individuals in their everyday lives, overlaid with the threatening messages they’ve sent her on VKontakte, Russia’s largest social network.

Ny 20 Aprily, namboraka rakitsary i Klimova, nitondra ny lohateny hoe “Olona Tsara Tarehy sy ny Zavatra Nolazain'izy Ireo Ahy“, izay nandefasany ho hitan'ny besinimaro ny sarin'ireo olona tsirairay amin'ny fiainan'izy ireo andavanandro, misy ireo hafatra mandrahona nalefan'izy ireo taminy tao amin'ny VKontakte, ilay tambajotra sosialy lehibe indrindra any Rosia.

6. Mety hahagaga anao hoe inona no mitondra fahafatesana be indrindra any amin'ny firenena andalam-pandrosoana avy amin'i Richard Fuller, Ensia

A landfill fire in Fada-Ngourma, Gourma Province, Burkina Faso. Photo by Flickr user lepetitNicolas. CC-BY-NC-SA 2.0

Toerana fandoroana fako ao Fada-Ngourma, faritanin'i Gourma, Burkina Faso. Sary avy amin'ny mpisera Flickr lepetitNicolas. CC-BY-NC-SA 2.0

It’s important to note that pollution rarely kills people directly or quickly. Instead, it causes heart disease, chest infections, cancers, respiratory diseases or diarrhea. Pollution acts as a catalyst, increasing the rates of these diseases above normal. For this reason, the WHO considers pollution a risk factor — a threat to human health similar to obesity, smoking, malnutrition or poor exercise. But pollution is the king of all risk factors. Worldwide, its fatality numbers dwarf those caused by any other risk factor in any other context.

Zavadehibe ny manamarika fa ankavitsiana no hamonoan'ny fandotoana olona mivantana na haingana. Fa na izany aza, miteraka tsy fahatomombanana eo amin'ny fo, aretin'ny havokavoka, homamiadana, tsy fahatomombanana eo amin'ny fiaina na fivalanana izany. Miasa ho toy ny mpamoha aretina ny fandotoana, mampiakatra ny tahan'ireo aretina ireo mihoatra noho ny mahazatra. Noho izay antony izay, dia heverin'ny OMS ho singa miteradoza ny fandotoana — mampanahy amin'ny fahasalaman'olombelona mitovy amin'ny fahatavezana, fifohana sigara, tsy fanjarian-tsakafo na tsy fahampian'ny fampiasam-batana. Saingy ny fandotoana no mpanjakan'ireo singa mety miteradoza rehetra ireo. Manerantany dia manakona ireo singa hafa rehetra mety mahafaty amin'ny toe-javamisy hafa ny loza aterany.

7. Mihoatra Lavitra Noho Ny Resaka Antontanisa Ireo Olona 147 Maty Nandritry Ny Fanafihana Tao Garissa [mg] avy amin'i Ndesanjo Macha

A screenshot from independent newspaper Daily Nation (@DailyNation) featuring photos of Garissa shooting victims, shared on Twitter.

A screenshot from independent newspaper Daily Nation (@DailyNation) featuring photos of Garissa shooting victims, shared on Twitter.

I want to see three million Nairobians flood the streets to cry, and sing, and hug because our children have been killed. I want to stop feeling that we live inside mostly the private. I want never to hear the word self-empowerment again.

Tiako ny hahita ireo telo tapitrisa ao Nairobi hameno ny arabe hikiakiaka, sy hihira, ary hifamihina satria novonoina ny zanatsika. Tiako ny hitsahatra tsy hahatsapa fa hoe miaina loatra ho an'ny tena manokana isika. Tsy tiako ho re velively ny teny hoe fampandrosoana miainga avy amin'ny tena indray.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.