Tantara mikasika ny Mpitsoa-ponenana tamin'ny Jona, 2013
Hamongotra Ny Andiana Fifindra-monina Vaovao Ve Ny Breziliana?
Mitarika andiana fifindra-monina any Brezila ny krizy ara-bola maneran-tany, ady ary ireo hetraketraky ny tontolo iainana. Ny fampiroboroboana ireo politikan'ny fifindramonina mahomby, noho izany, dia mitondra fandraisan'anjara amin'ny lazan'i Brezila ho tanjaka maneran-tany vao misondrotra.
Ravan'ny Safodrano Sy Ny Fihotsahan'ny Tany Ny Faritra Avaratr'I India
Namono olona maherin'ny 500 sy nampihitsoka olona eo ho eo amin'ny 70.000 zara raha manana vatsy sy fitaovam-pialofana noho ny fahasimbana na fahatapahan'ny làlana ilay safodrano sy fihotsahan'ny tany tany avaratr'i India.
Aostralia: Saritaka Ara-Piarovana Noho ny Fitadiavan-tSesintany Nataona Ejipsiana VoahelokaIray
Nampirehidrehitra ny fifampitolomana politika ao anatin'ny fifidianana mananontanona amin'ny 14 septambra 2013 ho avy io ny fiampangana mpialokaloka Ejipsiana iray ho ‘mpampihorohoro jihadista’. Efa ho herintaona izao no nitazonana an'i...
Famoronana Syriana: Radio SouriaLi Mampiely Ny Feo Amin'ny Aterineto
Ny Radio SouriaLi, natsangan'andia-tanora Syriana avy amin'ny tontolo isan-karazany, dia iray amin'ireo tetikasa sy fandraisana an-tanana maro misongadina avy amin'ny filana haneho hevitra sy ny fikendrena hahapaka hatrany amin'ny Syriana rehetra, tsy ijerena foko, fahaizana na fivavahana niaviana.