Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Mpihira Tajik iray miantso an'izao tontolo izao tsy hanadino an'i Aylan Kurdi

A screenshot grabbed from Jonibek Murodov's video clip "Aylan" used from drawings widely shared online

Pikantsary avy amin'ny rakikiran'i Jonibek Murodov “Aylan” nampiasaina avy amin'ny fanoritana an-tsary nifampizarana fatratra an-tserasera

Ao amin'ny firenena efa mahalala loatra ny hirifiry amin'ny fifindra-monina, ny fanerena hifindra toerana ary ny ady an-trano, dia nisy mpihira pop iray namakivaky ny ahiahy mahazo ny mpialokaloka taorian'ny fanafihana mahafaty olona tao Parisy sy nanodina ny fifantohana hiverina any amin'ny voina ateraky ny ady.

Amin'izao ankatoky ny Andro Iraisampirenen'ny Mpifindramonina ankalazaina isan-taona isaky ny 18 desambra izao, dia nisy kintan'ny Tajik, Jonibek Murodov, nanoratra hira iray ho an'i Aylan Kurdi, ilay zazalahy kely Syriana, hita sy azo sary voasasa [natosiky ny onja] ho any amin'ny morontsiraka tiorka tamin'ny Septambra.

Raha niteraka fiaraha-miory manerana izao tontolo izao ny sarin'ilay Kiorda tamin'izany fotoana izany, dia voahifika haingana izany rehefa tafiditra ao anatin'ny fitantaran-tahotra indray ireo mpifindramonina.

Mihira i Jonibek:

Номам ба ҳама забони олам Айлон
Рӯҳам ба ҳама макони олам нолон
Дар синаву дар нигоҳи ман ханҷари кист?
Хоки сари бепаноҳи ман кишвари кист?

Aylan no anarako amin'ny fiteny rehetra manerana izao tontolo izao,
Mifokofoko ny fanahiko amin'ny toerana rehetra amin'izao tontolo izao,
Antsin'iza no ao am-poko sy ny masoko?
Firenena iza no ilevenan'ny vatako manirery?

Nahahendratra maso tamin'ireo vondrom-piarahamonina miteny Tajik tao Tajikistan, Ozbekistan, ary tao Rosia, izay onenana sy iasan'ny Tajika an-tapitrisany ny hira.

Nosoratan'i Leila Abdullaeva:

Чонибек, поклон тебе. Лежу в слезах. Пока по новостям все это видела, как-то не было тех эмоций, что после просмотра твоего клипа. О Господи, что произошло с этим миром???

Mitomany. Raha nijery azy tamin'ny vaovao aho tsy mba nanana izao fihetseham-po izao eto am-pijerena ny rakikiranao. Andriamanitra ô, fa inona no nitranga tamin'izao tontolo izao ity?

Na izany aza, tsy ny rehetra no nieritreritra fa nety ilay fanomezam-boninahitra, raha hita fa manana ny voina mahazo azy mila aseho masoandro i Tajikistan.

Nanontany ny sasany raha mba nanam-potoana nahatsiarovana an'i Umarali Nazarov ilay zazakely dimy volana izay nodimandry rehefa nosarahan'ny manampahefana rosiana tao St. Petersburg ora vitsivitsy tamin'ny reniny ilay mpihira. Nampiely ny fanamelohana na avy ao Tajikistan na tao Rosia moa io toe-javatra io.

Nozimjon Boboev:

Это хорошо даже супер. А образ Умарали Назарав 5-месячный ребенок, отняты у мамы и умер в доли от мать, не говорит а чем-то и не заставляет вас творит что нибудь.

Tsara dia tsara ilay hira. Saingy fantatrao ve i Umarali Nazarov, zazakely dimy volana nalaina tamin'ny reniny ary maty lavitra an-dreniny? Tsy mba nahatonga anao hamoron-javatra ve io raharaha io?

Niteny tamin'ny mpankasitraka i Murodov fa mieritreritra mihitsy ny hihira momba an'i Umarali, izay ampitahaina dia ampitahain'ny mpiserasera aterineto amin'ny an'ilay Kiorda Aylan Kurdi ny fahafatesany.

Ao anivon-dranomasin-kiram-pitiavana efa tsy voaisa intsony, dia efa mihabetsaka ny mpihira pop sy ny kintan'ny rap no mitodika amin'ny lohahevitra miompana amin'ny resaka fiarahamonina, toy ny fahantrana, ny fifindra-monin'ny mpiasa ary ny fanerena hanao raharaha miaramila.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.