Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Avrily, 2019

Tantara mikasika ny Sendikà tamin'ny Avrily, 2019

Koety: Navotsotra ilay bilaogera nogadraina

Taorian'ny tabataba teo an-toerana sy avy any amin'ny faritra, navotsotra tany Koety androany vao maraina ilay bilaogera Koesiana Bashar Al-Sayegh. Raha nankalaza ny famotsorana azy ny bilaogera sasany, ny hafa kosa nampitandrina fa mety ho marika faneriterena bebe kokoa izay mety hampihenana ny fahalalaham-pitenenana ao Koety izany.

Bahrain: Ao amin'ny tany misy lalàna

Gaga ilay bilaogera Bahrainita Khalid tamin'ny fanehoan-kevitra nataon'ny governemanta - taorian'ny namoahan'ny Minisitry ny Atitany baiko handràra ny famoahana fahazoan-dàlana ho an'ny mpiasa avy any Bangladesh - ao amin'ny firenena izay mirehareha amin'ny maha-demokrasia azy amin'ny lalàna sy lalàmpanorenana ao an-toerana.

Nitory ny lehiben'ny repoblikan'i Sakha (Rosia) ireo mpikatroka zon'olombelona ao Moskoa noho ny fandraràna ireo mpifindra monina

Tsy maintsy hiady amin'ny fihetsik'i Yasen Nikolayev amin'ny antony ara-dalàna manokana ireo mpikatroka zon'olombelona Rosiana tahaka ny "The Land Without Racism and Xenophobia" (Ny tany tsy misy fanavakavaham-bolon-koditra sy fankahalana vahiny), milaza fa tsy ilaina ny fifehezana ny tsenan'ny mpiasa eo an-toerana any Yakutia.