IciCongo: Sarin'ny mpampita vaovao an-tserasera iray te- « hitantara an'i Kôngô amin'ny fomba hafa »

Sarin'i Umbo Salama, fampiasàna nahazoana alàlana

Ao atsinanan'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô, misy media iray miezaka ny hiavaka amin'ny hafa amin'ny fanandratana matoandahatsoratra manome toerana ny fiainana andavanandro araka ny tena iainan'ny ankamaroan'ny Kôngôley azy ao amin'ilay faritra.

Araka ny fanomezana laharana avy amin'ny Reporters Sans Frontières (RSF), taona 2023 ho an'ny firenena iray voaporiporitra ny fahalalahana maneho hevitra, ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô (RDC) no mitàna ny laharana faha-124 amin'ireo firenena 180, manana isa 48,55. Raha mitaha amin'ny taona 2022 izay nitazonany ny toerana faha-125, dia nahavita dingana kely niroso nankany aloha ilay firenena. Araka io loharano io ihany, ny firenen'i Félix Tshisekedi , Filoha nanomboka tamin'ny 2019, dia manana gazety miisa 540, fantsona fahitalavitra 177, onjampeo mihoatra ny 4.000 ary media an-tambajotra 36.

Saingy ny toedraharaha pôlitika, ireo krizy sy fifandonana izay, araka ny fanazavàn'ity tatitry ny International Crisis Group ity,  dia manozongozona an'i RDC hatramin'ny taona vitsivitsy izao, manery an'ity  firenena lehibe indrindra ao Afrika Atsimon'i Sahara ity hankato lalàna iray vaovao momba ny asa fanaovana gazety, izay nanomboka nanan-kery ny 4 aprily 2023.

Ireo ONG mpiaro ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety dia nandray tsara tokoa io lalàna io noho izy te-halalaka, araka ny fanazavàn'ny RFI azy:

Izy io dia manery ireo izay manana vaovao ho an'ny daholobe mba hanome izany ny mpanao gazety. Izany dia ahafahan'ireo mpanao gazety mahazo ny vaovao rehetra, isan'izany ireo vaovao mahakasika ny fifidianana, ary miaro ny loharanom-baovaony.

Tao anatin'izany tontolon'ny haino-vaky-jery izany ny IciCongo no teraka. Ny Global Voices dia nitafa tamin'ny alàlan'ny Whatsapp tamin'ny mpanorina ny IciCongo, Umbo Salama, mpanao gazety no sady mpampianatra mpanampy ao amin'ny departemantan'ny siansan'ny fampahalalam-baovao sy ny fifandraisana ao amin'ny Université de l’Assomption ao Kôngô (UAC). Izy no manazava ny tontolo nahaterahan'ilay sehatra, ireo fanambiny sy ireo vinany ho an'ny hoavy.

Jean Sovon (JS): Ambarao anay ny tantara, ny mampiavaka ireo votoaty sy ny endrika ara-paritry ny IciCongo ao anatina firenena iray midadasika be!

Umbo Salama (US) : Zava-tsikaritra vitsivitsy no niaingàko. Voalohany dia ny fomba ilazàn'ireo media vahiny ny vaovao momba an'i RDC. Rehefa miteny ry zareo dia toy ny hoe firenena nandalo ny helo izany ilay firenena : kolikoly, ady, fifandirana foko, fahantràna, hanoanana, fanolànana, halatra, fandrobàna… Kanefa, etsy ankilan'io toejavatra misaritaka io, misy ihany koa ireo santatr'andraikitra ho fiavotan'aina ary tsy dia taterin'ireo media loatra. Hoy aho anakampo hoe, ny firesahana ireny santatr'andraikitra ireny dia afaka manome tombony ao anatin'ny fampiharana ny asa fanaovana gazety ao RDC. Izay no anton'ny teny fanevanay hoe « Mitantara an'i Kôngô amin'ny fomba hafa».

Ny tsikaritra iray hafa, dia ny fomba hikirakiràn'ireo media an-tambajotra ao RDC ny vaovao. Marobe ireo media no mirona amin'ny fanelezana vaovao toy ny hoe mifaninana amin'ireo masoivohom-baovao na ny tambajotra sôsialy. Ireo fanambaràna na hetsika ataon'ireo olona manana ny lazany, ireo fampitàna an-gazety, ireny no tena manome ny ampahany betsaka amin'ny vaovao. Miasa ho toy ny fitaovana fampielezankevitra eo an-tànan'ireo olona sasany ihany koa ny media. Nilaina, araka izany, ny hisian'ny habaka iray ho an'ireo vaovao isankarazany, mba hahafahan'ny vahoaka mahafantatra ny toedraharaha iainany, ny tontolony, hahafahany manana aingam-panahy sy handray fanapahankevitra ho an'ny fivelarany manokana.

Nanampy ahy nanangana io tranonkala io ireo namako miasa ao anatin'ny sehatry ny famokarana Web. Tamin'ny fiandohan'ny Jona 2021 izahay no namoaka ny lahatsoratray voalohany teny anaty tambajotra, tao amin'ny www.icicongo.net, ka laharam-pahamehana ny hitantara ny fikofokofohan'ny vahoaka manao izay hahavelomany ao anatin'io tontolo io, izay mazàna no atolotra  amin'ny endrika apôkaliptika.

Resahanay ny toekarena, ny fambolena, ny ady atao hanoherana ny fitomboan'ny hafanàn'ny tany, ireo olan'ny fahasalamàna ara-pananahana, ny fahasalamam-bahoaka, fa koa ny resaka fitsaràna, ny zotram-piainan'ny olombelona ary hatramin'ny firoboroboan'ny tontolon'ny media.

Tao anatin'ny taona roa nisiany; efa nahazo loka roa sahady ny IciCongo: ilay fifaninanana kely tamin'ny Septambra 2022 nampanaovin'ny International center for Journalist (ICFJ) tamin'ny alàlan'ny Forum Pamela Awards momba ny fanadihadiana ireo krizy manerantany, tamin'ilay lahatsoratra hoe : « Manoro tsara momba ny asa fampihorohoroana sy ny fanaovana an-tendro mba hampitony ny fiarahamonina ». Ny loka faharoa dia avy amin'ny fifaninanana  « Jinsia Kwa Amani, na Ny Miralenta Hisian'ny Fandriampahalemana», fifaninanana iray nokarakarain'ny Fikambanan'ireo Vehivavy misehatra amin'ny Médias(AFEM) sy ny fiarahamiasa alemaina GIZ tamin'ny Desambra 2022, tamin'ilay lahatsoratra hoe « Miaraka amin'ny hetibeny, bangoin'i Anita Kahambu ireo fitsaràna an-tendrony  momba ny fandraharahàna ataon'ny vehivavy » nosoratan'i Glodi Mirembe.

JS: Ny inona no mpihaino anareo, ary toy ny ahoana no famakin'ny olona anareo? Inona no tamberina omen-dry zareo?

US: Holazaiko angamba hoe mbola tsy malaza loatra izy io, saingy efa misy ny firosoana mankany amin'izay. Eo amin'ny pejin'ny antontanisanay, eo an-dàlana izao izahay mamamantatra ireo mpihaino izay mitombo be hatrany any ivelan'ny firenenay, indrindra fa any amin'ireo firenena toa an'i Etazonia, Belzika ary ireo firenena eorôpeàna hafa, fa koa i Shina, Ogandà, Kamerona, Afrika Atsimo. Tao anatin'ny taona roa nisiana, mihevitra izahay fa mizotra amin'ny làlana tena tsara miaraka amin'ireo mpihaino avy amin'ny tanibe rehetra. Mba hahatongavana amin'izany, zarainay ireo lahatsoratra mba ho any amin'ireo sehatra marobe ao amin'ny tambajotra sôsialy, toy ny WhatsApp, Facebook, Twitter, LinkedIn.

Ny ankamaroan'ireo mpitsidika ny tranonkalanay dia mampiasa ny telefaona finday mba hamakiana azy, tombanana ho 93% eo ry zareo ireny. 5% ireo mampiasa ny solosaina, ary 2% ny mampiasa tablety. Ny tamberina voarainay dia mangataka aminay ny hanohy hamokatra vaovao mbola mitondra fanantenana ihany sy mampitombo fahalalàna. Ny hafa koa miteny aminay fa mampanan-karena ny fikarohana siantifika ataon-dry zareo ireo lahatsoratray.

JS: Mba lazao anay ny momba ny tarika mpamoaka lahatsoratra ao andamosin'io asa tsara dia tsara isanandro io. Ny fanofanana sy ny fandraisana ireo mpanao gazety hiasa ao anatin'ny toedraharaha misy an'i RDC sy ny faritra!

US : Miantehitra betsaka amin'ireo mpirotsaka an-tsitrapo izahay, izy ireo izay maniry ny hanatsara ny fomba fanoratany an,-gazety. Miantehitra ihany koa izahay amin'ireo mpianatra izay ampianarinay rahateo ny taranja asa fanaovana gazety ao amin'ny Université de l’Assomption ao Kôngô (UAC). Amin'izany izy ireo dia misitraka fanarahamaso tsy tapaka amin'ny tolokevitra ho fanontàna lahatsoratra, mandalo amin'ny fandrafetana zoro, ny fikendrena ireo loharano, ny drafitry ny fanoratana. Ny media tantaninay dia kazarana akademia ihany koa ho an'ny asa fanaovana gazety. Izany no antony iantsoanay azy hoe « Média école » (Media Sekoly). Fa vitsy ireo tavela satria tsy anaty firotorotoana no anoratana ny lahatsoratray: maka fotoana ampy tsara mihitsy izahay mba handinihana. Manitatra ny bokin'adiresiny koa ireo tavela. Mandray anjara tsy tapaka ihany koa izahay amin'ireo “webinars” momba ny asa fanaovana gazety, amin'ireo fiofanana maro omen'ireo fikambanana ao amin'ny faritra misy anay.

JS: Manao ahoana ny toedraharaha misy ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ao RDC? 

U S : Hatreto, tsy mbola nahazo fandrahonana noho ny asa ataonay ny IciCongo. Saingy be loatra ireo teritery tsy ahafahan'ny gazety rehetra ao amin'ny faritra atsinanan'ny RDC hanao tsara ny asany. Ohatra, raràn'ny fanjakàna ireo mpanao gazety tsy hanome fitenenana eny anatin'ny media-ndry zareo ireo  mpanafika, na ny filazana hoe ao anatina faritra mora ianjadian'ny fifandonana mitam-puiadiana sy ireo endrika maroben'ny herisetra tafahoatra izahay. Misy fotoana andaozana ny lahatsoratra sasantsasany noho ny tsy fahavitàna manome vaovao feno avy amina loharano isankarazany. Manana fahasahiranana ihany koa izahay raha te-handeha any amin'ny faritra sasany noho izy ireny ambany fifehezan'ireo vondrona mitam-piadiana.

J S: Aiza ho aiza no fahitànao ny IciCongo anaty fotoana lava?

US : Ny media-nay dia mipetraka anaty faritra iray, ao antsinanan'ny firenena, izay misabaka eo anelanelan'ny lemak'i Nil sy ny  lemak'i Kôngô. Inoanay fa afaka 5 na 10 taona, izahay dia ho isan'ireo hanohy ny ho mpitondra tenin'ireo tsy misy mpihaino eo anelanelan'ireo lemaka roa ireo, ary handray anjara amin'ny fampandriana fahalemana an'ilay faritra. Ary koa, fikasànay ny hamokatra rakipeo ‘podcasts’ sy hanana fantsona Youtube mba hampitomboana ny isan'ny mpihaino anay. Tsy asa mora izany, fa ho vitanay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.