· Avrily, 2018

Tantara mikasika ny Sendikà tamin'ny Avrily, 2018

Feo avy any Zimbaboe-2

  30 Avrily 2018

Lasa sehatra ho an'ny fipoahan'ny fankahalàna vehivavy voakiana be, izay niseho tao amin'ny parlemantan'i Zimbaboe tamin'ny herinandro lasa teo, ilay adihevitra manodidina ny lalàna vaovao, dia ny Volavolandalàna mikasika ny Herisetra an-Tokatrano izany.

Bahrain: Kamo Ve Ny Arabon'ny Golfa?

Tamin'ny fiandohan'ny herinandro farany ho an'ny Janoary 2008, nitafatafa tamin'ny gazetin'ny firaisambe arabo mpiseho isanandro "Asharq Al-Awsat" ny minisitry ny asa Bahraini, Majid Al Alawi, ary nolazainy tao amin'ilay resadresaka fa miatrika 'tsunami aziatika' ny Golfa satria 'kamo' sy 'simba' ary miankina amin'nireo mpiasa afarana avy any ivelany ireo teratany ao Golfa amin'ny fanaovana na dia ny asa tsotra aza. Nambarany fa ireo mpiasa vahiny manodidina ny 17 tapitrisa ao Golfa, aziatika ny ankamaroany, dia ho 'loza ratsy kokoa noho ny baomba atomika na ny fanafihan'ny israeliana'. ahoana ny eritreritr'ireo mpitoraka bilaogy bahraini ?

Shina: Randram-panentanana Ho An'ny Fianakavian'ireo Nandevozina

  15 Avrily 2018

Fanentanana amin'ny aterineto no natao ho fanampiana ireo niharam-boina tavela tamin'ny raharaha andevo shinoa 2007 ---ireo fianakavian'ireo mpiasa tamin'ny lafaoro. Mizara ny alahelony ny zanany izy ireo, lasa holatra mandritra ny androm-piainana ny fahatsiarovana ireo zavatra nampahory. Mbola misy tsy hita ireo ankizy sasany nefa ny governemanta tsy miraharaha intsony io resaka io, ary navelany hiady irery ireo fianakaviana. Manentana amin'ny fanomezana tolo-tànana mba hanohanana azy ireo amin'ny fanaovana ny taombaovao Shinoa amin-kafanàna ny aterineto.

Ireo pejinay momba an i Sendikà

Resaka momba ny asa sy ny mpiasa na fifandaminana hafa mifandraika amin’izany