Tantara mikasika ny Sendikà tamin'ny Septambra, 2021
Mitantara indray ny fahoriana sy ny ratran-tsain'ny vahoaka teratany Tamang amin'ny alalan'ny voa nohasinina, taratasy vita tanana
Mampiasa ny voan'ny hazon'i Damocles, taratasy vita asatanana avy amin'ny fakon'ny orinasa taratasy, sy solaitra mba hilazana ny tantaran'ny vahoaka teratany Tamang ilay mpanakanto Nepaley Subas.
Nanosika ny fianakaviana Armeniana ho any amin'ny fahantrana ny COVID-19
Talohan'ny nandonan'ny COVID-19 an'i Armenia, nilaza i Avetisyan fa ireo andiam-panorenana sy asa isan'andro no mamelona ny fianakaviany hihinana sy hanam-pialofana.
Hofoanana ny firaisankina pro-demaokrasia ao Hong Kong lehibe indrindra, manahy fandrahonana amin'ny filaminana
Tondroin'ny seha-baovao Pro-Beijing ho mpitsikilon'ny vahiny ny Konfederasionan'ny Sendikà, izay mety ho fanitsakitsahana Lalànan'ny Filaminam-Pirenena.
Nandritra ny fihibohana vokatry ny valanaretina, nitombo be izay tsy izy ny fanararaotana ara-nofo nataon'ireo mpampiasa tamin'ireo mpiasa an-trano tao Hong Kong
Navoitran'ny fanadihadiana iray nataona vondrona mpiaro zon'olombelona fa manodidina ny 40.000 eo ireo vahiny mpiasa an-trano no tsy nanam-pitsaharana nandritra ilay valanaretina, ary 20.000 amin'ireo no tsy nahazo afa-tsy andro iray ho fitsaharana isambolana.
Rosia: Voasakana ilay tranonkala malaza noho ny fitarainan'ny mpiasa
Nosakanan'ny mpanakana ny Antijob, angondrakitra an-tserasera misy ireo fitarainana tsy mitonona anarana momba ireo Rosiana mpampiasa, taorian'ny raharaha fanalam-baraka nanaovan'ny orinasa mpivarotra trano sy tany iray ao Moskoa fitarainana.
Ny taksim-bavy manokana ao Zeorzia
Tolotra taksy vaovao any Zeorzia, antsoina hoe TaxiWoman no mampanantena dia azo antoka satria natokana ho an'ny vehivavy irery ihany izany miaraka amin'ny mpamily vehivavy.