
Sary an'i Arzu Geybullayeva
Navoaka voalohany teo amin'ny Abzas Media ity lahatsoratra ity. Naverina navoaka eto indray ny dika nasiam-panovàna ho ampahany amin'ny fifanarahana hifampizàra votoaty.
Fianakaviana folo no nonina tao an-tanànan'i Garachayli, Azerbaijana taloha. Niankina tamin'ny tany novoleny ny antom-piveloman'izy ireo. Saingy tamin'ny taona 2017, nampanofaina tamina orinasa iray atao hoe Shabran Agrocomplex LLC mandritra ny 49 taona ny tany tao an-tanàna. Farany, voatery nifindra monina tany amin'ireo tanàna manodidina ireo fianakaviana rehetra, anisan'izany ny fianakaviana Tahir Rasulov, izay niady teny amin'ny fitsarana hitaky tambiny ara-drariny ho an'ny taniny noho ilay fandroahana an-keriny. Saingy roa taona taty aoriana, voatery niala maina i Rasulov.
Nanambara teo amin'ny Abzas Media ny mponina tao an-tanàna fa an'ilay mufti lehibe any Azerbaijana ny tany, Allahshükür Pashazade – mpitarika ara-panahy ny Miozolomana ao Azerbaijana. Nampanofain'i Pashazade tamin'ny mponina ny tany izay novolen'izy ireo sy nivelomany tamin'izany. Avy eo, tonga tao an-tanàna ilay Agrocomplex, nampandre ny mponina fa tsy maintsy miala izy ireo. Noresahan'i Rasulov tamin'ny Abzas Media ny olana naterak'ilay orinasa taminy sy ireo mponina hafa : “Nampijaly tanteraka sy nanahiran-tsaina ahy be izy ireo”. Norahonan'izy ireo niaraka tamin'ny polisy aho. Navoakany avy tao amin'ny tranon-drazako aho.”
Hatramin'ny taona 2017, nijanona ho tsy nanan-tany intsony ireo nipetraka tao an-tanàna. Mba hanadihadiana mikasika ny fifanarahana sy ny fitompoan'ny Shabran Agrocomplex ilay tany, ny Abzas Media dia niresaka tamin'ireo mponina teo an-toerana ary nijery angon-drakitra iray misy ireo antontan-taratasy azo raisina mba hahalalana bebe kokoa.
Napongatry ny fanadihadiana fa Baku Agropark no mpamorona ny Shabran Agrocomplex, fantatra taloha tamin'ny anarana hoe AzEcoFarm. An'i Samad Gurbanov, lehilahy iray mpandraharaha, ny Baku Agropark, manambady an'i Arzu Aliyeva, ilay faravavin'i Ilham Aliyev, Filohan'i Azebaijana.
Taorian'ny fanokafana ny “serre”, tranohiboka voalohany an'ny Agropark tany Bakou tamin'ny taona 2017 (izay mamboly voatabia), nahazo fahafahana betsaka avy amin'ireo andrimpanjakana ny orinasan'i Gurbanov. Navoakan'ny fanadihadiana fa ny fampiasambola manokana nataon'i Gurbanov mitentina 11,7 tapitrisa AZN (6,9 tapitrisa dolara) dia nofenoina tamin'ny fampindrambola fanampiny 10 tapitrisa AZN avy tamin'ny Tahirimbola Fampandrosoana ny Fandraharahana vatsian'ny tetibolam-panjakana. Nomena ho an'i Gurbanov mandritra ny folo taona ilay fampindramam-bola, miaraka amin'ny tahan'ny zanabola raikitra 5 isan-jato isan-taona.
Tsy nampandoavina ny fametrahana herinaratra ihany koa ny orinasan'i Gurbanov nandritra ny fanorenana ilay tranohiboka fambolena, izay ny orinasa atao hoe Retro Holding, fananan'i Arif Pashayev, rafozan'i Ilham Aliyev no nanao ny asa. Hita anatin'ny fanampiana hafa tamin'ilay fampiasambola ny fampindramam-bola manome tombony kokoa ho an'ny fotodrafitrasa fanondrahana ilay agrocomplex – avy amin'ny volam-panjakana daholo, miaraka amin'ireo orinasa maro tafiditra amin'izany tsy nampahafantatra ny tena totalin'ny fandaniana.
Nandritra izany fotoana izany dia tsy nahita rano hanondrahana ny tanimboliny ireo mpamboly manodidina ilay agrocomplex.
Tao anaty tafatafa iray nifanaovana tamin'ny Abzas Media dia nilaza ny mponina iray tao amin'ny tanàna akaiky teo hoe :”Jereo, mila rano izahay izao. Efa tonga amin'ny fotoam-piotazana ny vokatra. Arakaraky ny mahakely ny vokatra voaangona no vao mainka mety ho hahalasan'ny Fanjakana ny tany ka omeny an'izay mamafy voa tsara sy mahavokatra betsaka kokoa.
Tsy ny tsy fahampian-drano amin'ireo tanàna manodidina ihany no olana. Nanamafy ireo mponina avy any amin'ny tanàna hafa fa tsy mahazo entona fandrehitra ny tranon'izy ireo, na dia mahazo entona fandrehitra mandalo amina fantsona mitokana aza ilay agrocomplex. Nilaza ny mponina iray teo amin'ny Abzas Media fa doran'ny fianakaviana avokoa izay hazo rehetra hitany mba hanafanana ny tranony sy hamatsiany ny filàny.
Any amin'ireo faritra lavitra ao Azerbaijana, azo lazaina ho tsy misy mihitsy vintana hisiana asa ho an'ireo tambanivohitra. Izay niresaka tamin'ny Abzas Media dia nilaza avokoa fa ilay agrocomplex no hery farany ho an'izy ireo ahitany asa, kanefa dia lavina ny hanome asa ho azy ireo na omena karama ambany izy ireo, eo anelanelan'ny 300 hatramin'ny 350 AZN isam-bolana (manodidina ny 200 dolara amerikana). Tahaka izay nolazain'ny mponina iray : “Fanandevozana amin'ny vaninandro maoderina izany”.
Asehon'ireo antontan-taratasin'ny fitsarana fa hofany faran'izay mora tsy azo eritreretina ihany koa no naloan'ny Baku Agropark amin'ny tany nofainy tao amin'ny tanànan'i Garachayli — hofany isan-taona 2 520 AZN ho an'ny tany 1 738 hektara. Tahir Rasulov, mponina ao an-tanàna dia nilaza tamin'ny Abzas Media fa hatramin'ny taona 2019, dia nandoa hofany 30 AZN isaky ny hektara tamin'io tany io izy. Kanefa, ny Baku Agropark dia tsy mandoa afatsy 1 manat sy 50 sentima isaky ny hektara ho an'ny fampiasambola amina manats an-tapitrisany marobe ataony.
Tsy mijanona eo amin'ny Agropark any Baku fotsiny ny fananan'i Samad Gurbanov. Misy koa ny Baku Agropark Trading House, misahana ny varotra ambongadiny an'ireo voankazo sy legioma ; Ny Maxitrading LLC, misahana ny fanafarana sy fitsinjaràna ireo vokatra ara-tsakafo ; ary koa ireo orinasa maro hafa an'ny Mirlex Group (Mirlex Development sy Mirlex Construction LLC), misahana ny fivarotana famonoana afo, fametrahana fanairana afo mandeha ho azy, ny rafitry ny fiantsonan'ny fiara sy ny fanarahamaso ampiasàna kamerà.
Miorina ao anaty Port Baku Towers ny biraon'ireo orinasa marobe an'i Samad Gurbanov, foibe fandraharahana sangany an'ny Pasha Holding.
Ao amin'ny faritra Absheron, manana trano iray fanatobiana sakafo ilay orinasa.
Tsy nisy vokany ny fikasan'ireo mpanao gazety avy amin'ny Abzas Media hiresaka amin'ireo mpitantana ilay agrocomplex ao Shabran. Nosakanan'ny mpiambina ny ekipanay mpaka sary ary nilazàna fa tsy nisy mpitantana mihitsy tao amin'ilay orinasa.
Tsy ireo mpanao gazety irery no tsy afaka niditra tao amin'ny toeran'ny orinasa. Rehefa noterena hiala ireo mponina tao an-tanàna dia nilaozan-dry zareo tany hatramin'ny fasan'ny tanàna. Hatramin'ny nanorenana ilay complex sy nakana ny tanin'izy ireo, dia tsy maintsy mangataka alàlana amin'ny mpitantana ilay agrocomplex izy ireo, na dia hitsidika fotsiny ny fasan'ireo havany efa nodimandry aza.