Stan Grant abôrizena Aostraliàna niala tamin'ny toerany rehefa niharan'ny antsojay ara-poko

Stan Grant in an emotional final appearance at his show.

Stan Grant tamin'ny fisehoana farany mampihetsi-po nandritra ny fandaharana nataony. Pikantsary an'ny lahatsary YouTube an'ny ABC News

Stan Grant, zokiolona vazimba teratany, mpanao gazety, niato tamin'ny andraikitra maha-mpanentana sy mpilaza vaovao azy ho an'ny Australian Broadcasting Corporation (ABC) taorian'ireo fanaovana azy ho lasibatra tamin'ny fanavakavaham-bolonkoditra nandritra ny fandrakofana nataon'ny ABC ny fanosorana ny mpanjaka King Charles tao Royaume-Uni.

Grant, izay avy amin'ny vahoaka vazimba Wiradjuri, dia mpanao gazety tao nandritra ny telopolo taona mahery. Izy no mpanentana ny fandaharana Q+A an'ny televiziôna ABC sady mpikira vaovao isan'andro ho an'ny ABC News anaty tambajotra.

Ny 19 May, nanoratra i Grant mikasika ny fanavakavaham-bolonkoditra mahery vaika natao azy sy ny fianakaviany, taorian'ny nivahinianany teo amin'ny fantson-tseraseran'ny fahitalavitra iray mikasika ny lova navelan'ny fanjanahantany nataon'ny monarsia Britanika ary indrindra ny fiantraikan'izany tamin'ny mponina teratany ao Aostralia. Ireo sasany mpandala ny nentindrazana dia tsy nankasitraka ny fotoana nandefasana ilay fandaharana izay nalefa ora vitsy nialoha ny fanosorana ny mpanjaka Charles.

Nanazava ny heviny mikasika ny fialàny i Grant :

Manoratra an'io aho satria tsy nisy na iray aza olona tao amin'ny ABC – izay ireo mpamokatra tao no nanasa ahy ho ho toy ny vahinin-dry zareo amin'ny fandrakofam-baovao momba ilay fanosorana mpanjaka – mba nanao teny iray ho fanohanana ampahibemaso. Tsy nisy mihitsy na iray aza mpanatanteraka tao amin'ny ABC nitsipaka ampahibemaso ireo lainga voasoratra na nolazaina momba ahy. Tsy mitàna n'iza n'iza ho tompon'andraikitra aho ; tsy fahombiazana andry iray izany.

Nosaintsaininy ihany koa ny amin'ny fomba namadihan'ny “haino aman-jery ny fifanakalozan-kevitra ampahibemaso ho lasa toy ny kianja fialamboly”, sy namaritany ny media sosialy ho sahala amin'ny “zava-mahatsikaiky hafahafa” izay “namadihana ny fiainana ho lasa fanesoana sy hadalàna”. Nampiany fa :

Naka fotoana hialàna sasatra aho satria nasehontsika indray mandeha fa goavana loatra, marefo loatra, sarobidy loatra ho an'ireo haino aman-jery ny tantarantsika – ny fahamarinana mafintsika.  Tsy mahita afa-tsy ny soritr'ady ireo haino aman-jery, fa tsy tetezana. Tsy mahita afa-tsy politika ry zareo.

Tsy te-ho isan'izany aho. Te-hahita toeram-panavotana lavitry ny fofona maimbon'ny haino aman-jery aho. Te-ho any amin'ny toerana tsy hahatsiarovako ny tatatra maimbon'ireo haino aman-jery aho.

Nandritra ny fizaràna farany tamin'ny fandaharana nataony, nitodika tamin'ireo vahoaka Wiradjuri namany izy :

Ho an'ny vahoakako, naniry hatrany aho ny hisolo tena anao am-pireharehana. Fantatro fa mety nandiso fanantenana anao aho indraindray, saingy amin'ny fombako dia te-hampiseho ny amintsika fotsiny aho. Ary ialako tsiny ny tsy fahafahako hanao izany mandritra ny fotoana fohy.

Jereo manontolo ny lahateniny avy amin'ity lahatsary YouTube ity :

Ny lehiben'ny filazambaovao ABC, Justin Stevens, nilaza fa nanenina izy tsy tonga niaro an'i Grant taloha ary namoaka filazana miampanga ireo haino aman-jery hafa mampitombo ny fankahalàna an'i Grant :

Andraikitry ny fitantanana ao amin'ny ABC News ny momba ny fandrakofana, fa tsy an'i Stan Grant. Na izany aza, izy no nizaka ireo tsikera, indrindra fa teo amin'ireo sehatra mahazatra an'ireo haino aman-jery mikendry ny ABC. Tsy rariny, tsy mifanaraka amin'ny tokony ho izy sy tsy tomponandraikitra raha ny fanaovana tatitra an-databatra boribory mikasika ny fandraisany anjara, tsy marina ary tsy fandraisana andraikitra. Nandray anjara tamin'ny famelomana fanararaotana mahatsiravina manokana sy fanavakavahana ara-poko ilay izy.

Nandritra ny tafatafa niarahana tamin'ny The Guardian, nampangain’ i Stevens ny News Corp an'i Rupert Murdoch ho nitarika ilay famatrapatràrana hamelezana an'i Grant. Saingy nambaran'i Michael Miller, tale jeneralin'ny News Corp Australasia, fa “mamitaka” sy “tsy mitombina” ilay fiampangana ary nandrisika ny ABC “hanatsahatra ny fifanilihana sy fanomezana tsiny ny hafa noho ny olana anatiny azy ireo manokana”.

Ny 22 May, nivory manoloana ny biraony ireo mpiasan'ny ABC any amin'ireo tanàndehibe maro mba haneho ny firaisankinan‘izy ireo amin'i Grant ary hanohitra ny fanavakavaham-bolonkoditra. Ny tenifototra #istandwithstan no mampiseho ny fanohanana azon'i Grant teny anatin'ireo tambajotra sôsialy.

Fandraisana anjara goavan'ireo mpikambana amin'ny @withMEAA ABC mijoro miaraka amin'i Stan Grant. Tsy vaovao ny fanavakavaham-bolonkoditra maharikoriko izay nalefa taminy vao haingana, ary koa tamin'ireo hafa mpiasa vazimba teratany #istandwithstan #werejectracism pic.twitter.com/EHcPm5U9to

— Tyron Butson (@tbutson) 22 May 2023

Niala tsiny tamin'ny fomba ôfisialy tamin”i Grant ny talen'ny jeneralin'ny ABC, David Anderson.

Ny Media, Entertainment & Arts Alliance, sendikan'ny mpiasan'ny haino aman-jery Aostraliana, dia nanamarika fa ilay olana dia tokony hitondra mankany amina fifanakalozan-kevitra sy hetsika momba izay hiarovana ny mpanao gazety amin'ny fanararaotana.

Tsy maintsy manararaotra izao fotoana mampahonena izao isika mba hahatakarana tsara ny zavatra atrehintsika sy hiatohana ny fahafahan'ireo mpiasa mitantara ny tantarantsika hanohy ny asa fanompoana tena ilàn'ny vahoaka azy, lavitry ny fanararaotana sy loza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.