Tantara mikasika ny Sendikà tamin'ny Marsa, 2012
Espaina: Fitokonana Faobe Taorian'ny 100 Andro Niasan'ny Governemanta
Taorian'ny fahatapahan'ny famatsiam-bola ho an'ny tolotra ara-tsosialy, ny fampianarana, ny fikarohana sy ny fampandrosoana, ny fahasalamana ary ny angovo azo havaoziana, ary indrindra ihany koa ny fikendrena ny mpiasa amin'ilay Fanavaozana...
Espaina: Manohana Ve Sa Tsy Manohana Ny EuroVegas Ianao?
Las Vegas ao Eoropa… Tianao ho fantatra ve ny momba izany? Tranobe marolafy tsy mena-mitaha raha oharina amin'ny namany Amerikana izay ahitana trano filokana enina, tokontany filalaovana golf, efitra filalaovana...
Singapore: Hahazo Andro Iray Fialan-tsasatra Nefa Handraisan-karama Ihany Ireo Mpiasa An-trano
Taorian'ilay fampielezan-kevitra nandritra ny efa-taona nataon'ireo ONG miantoka ireo mpiasa mpifindra monina, hahazo andro iray fialan-tsasatra nefa handraisan-karama ihany ireo mpiasa avy any ivelany miasa any Singapore manomboka amin'ny taona ho avy. Nefa tsy ny rehetra no faly amin'ity fanovana vaovao ity.
Shina: Tetikasa Ao Amin'ny Atetineto Entina Hanampiana Ireo Mararin'ny Pneumoconiose
Natsangana ny tetikasa fanampiana iray nataon'ireo mpampiasa aterineto , "Love Save Pneumoconiosis" ny tapaky ny taona 2011 mba hanampiana iero mararin'ny pneumoconiose. Ny Pneumoconiose dia aretina maherivaika mahazo ny havokavok'ireo mpiasa vokatry ny fifohana vovoka, izay miatraika indrindra any amin'ireo mpiasa mpifindra monina avy any ambanivohitr'i Shina.
Korea: Mitaky ny Zo Hahazo Manao Pataloha Ireo Mpanamory Ara-barotra
Tamin'ny Andro Manerantany Ho an'ny Vehivavy dia nanao tafatafa ho an'ny mpanao gazety ireo mpanamory ara-barotra avy amin'ny iray amin'ireo zotram-piaramanidina goavana indrindra ao amin'ny firenena,teo anoloan'ny tranoben'ny Kumho Asiana hangataka ny hahazo hanao pataloha. Tonga marobe naneho ny fanohanany ireo Korena mpampiasa aterineto.
Korea Atsimo: Miala Amin'ny Asany Ireo Mpanao Gazety Maro Avy Amin'ny Fahitalavi-panjakàna Iray
Ireo mpanao gazetin'ny iray amin'ireo tambajotram-pahitalavitra ara-barotra lehibe indrindra any Korea Atsimo, ny Munhwa Broadcasting Corporation (MBC) dia mitokona mandritra ny fotoana tsy voafaritra efa nanomboka tamin'ny volana Janoary 2012, mitaky ny fahamarinana amin'ny fanaovan-gazety tsy misy ambadika politika. Tamin'ny 4 Martsa 2012, mpanao gazety 166 no nanambara fa hiala amin'ny asany [ko] ho mariky ny fanoherana.
Goatemala: Famporisihana Ireo Vondrom-piarahamonina Amin'ny Alalan'ny Milina Voizin-tongotra
Maya Pedal dia fikambanana iray ao Goatemala izay manokan-tena amin'ny fitondràna fampandrosoana amin'ny alalan'ireo bisikilety efa avy nampiasaina. Ireo izay mbola azon-dry zareo tsaboina, dia mahazo aina vaovao indray satria lafo ny fitaovam-pifamoivoizana eny an'arabe ao Goatemanala ary ireo izay tsy ho azo ampiasaina intsony kosa dia avadika ho milina voizin-tongotra hanampy amin'ny fiainana andavanandro tahaka ny fisintonana rano, fiotazana popocorn, fitotoana koba, fanafangaroana voanjavatra ary fanamboarana tafo taila.
Tonizia: Mampiasa Baomba Mandatsa-Dranomaso Sy Kobay Hanaparitahana Hetsika Sendikaly ny Polisy
Nampiasa baomba mandatsa-dranomaso sy hazo hanaparitahana ny mpanao fihetsiketsehana nampiseho ny fanohanana ny firaisankinan'ny sendikà toniziana ( fantatra amin'ny fanafohezana anarana hoe UGTT) ny polisy, tao an-drenivohitra Tunis, ny andron'ny 25 Febroary. Nampangain'ny sendikà ho nanimba ny biraon'izy ireo ny mpikambana ao amin'ny antoko mitondra Ennahdha ka nanomana fihetsiketsehana. Mbola itsakitsahan-jò eo ampanaovana ny asany hatrany ny mpanao gazety.