Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Sendikà tamin'ny Novambra, 2012

28 Novambra 2012

Hain-trano-na Orinasa Nahafaty Olona Tao Bangladesh Mampiseho Ny Fampiasana Mpiasa Tsy Ara-drariny

Nampametra-panontaniana marobe ny hain-trano mahatsiravina izay nahafatesana mpiasa maherin'ny 110 tao amin'ny orinasa fanenonan-damba ao Tazreen Fashions Ltd, tranobe rihana faha-sivy ao Nischintapur, Ashulia (akaikin'ny renivohitra Dhaka). Na dia manana fitaovana mpamono afo 335 sy mpiasa 300 nampiofanina momba ny famonoana afo raha sendra misy ny firehetana aza ilay orinasa, tsy nisy akory izay...

Mandoa Hetra Be Lavitra Noho Ny Orinasa Iasany Ve Ireo Zambiana Mpiasa Amin'ny Fitrandrahana Harena Ankibon'ny Tany?

Podcast iray (Taxcast) avy amin'ny tambajotra Tax Justice nomeny lohateny hoe Zambian miners paying more tax than mining company, na "Mandoa hetra betsaka kokoa noho ireo orinasa mpitrandraka harena ankibon'ny tany ireo Zambiana mpitrandraka" no navoaka tety anaty aterineto nanindry fa hoe mandoa be lavitra hetra avy amin'ny karamany ireo...

16 Novambra 2012

Mpiasa voaroaka iharan'ny fandoavan-trosa ao Taiwan

Zava-mitranga toa somary manaraby ihany, fa dia mitady hitory ireo mpiasa izay noroahin'ny tompon'orinasa efa ho enina amby folo taona lasa izay, ny Vaomieran'ny raharahan'ny mpiasa (CLA) ao Taiwan, ity farany izay misahana amin'ny fiarovana ny zon'ny mpiasa. Mitady vola amin'ny fitoriana an'i Mpanao lalàna Yuan any amin'ny fitsarana ity vaomiera itya noho...

Nahomby ny Fitokonan'ny Mpiasan'ny Metro tao Kairo

Tafaverina indray ny metro ao Ejipta – taorian'ny fitokonana naharitra efatra ora. Tao amin'ny sampan-draharahan-damasinina, izay afaka mitondra olona 2 tapitrisa isan'andro manerana an'i Kairo, niato tamin'ny asany ireo saoferan-dalamby noho ny hetsi-panoherana ny filohan'ny filankevi-pitatanana ny metro, izay voampanga ho nanao kolikoly. Nitaky karama tsaratsara sy fepetra mendrika momba ny asa...

Nosivanin'ny La Vanguardia Ny Bilaogy Iray Niresaka Momba Ny Fitokonana Tsy Hihinan-kanina Tao Amin'ny Telefónica

Ramatoa Katalana mpanao gazety i Lali Sandiumenge izay nanaisotra ny bilaoginy tao amin'ny La Vanguardia taorian'ny nanivànan'ilay gazety ny lahatsoratra iray niresahany ny fitokonana tsy hihinan-kanina ataon'ireo mpiasa ao amin'ny Telefónica ao Barcelone sy ny fampiasàn-dry zareo ireo tambajotra sosialy mba hampahafantarana ny fitakiany.

14 Novambra 2012

Herinandro Fitorahana Bilaogy Ao Maoritania Hanoherana Ny Fitrandrahana Harena An-kibon'ny Tany Ataon'ny Vahiny

Nanao hetsika fanentanana mitondra ny lohateny hoe "Fanoherana ny fitrandrahan’ireo orinasa vahiny ny harena an-kibon’ny tany" ny mpitoraka bilaogy Maoritaniana nandritry ny herinandro. Mizara amintsika ny lahatsoratra tanaty bilaogy sy ireo bitsika avy amin'io fanentanana io, izay mikendry ny anehoana ny voka-dratsy aterak'ireo orinasa ireo eo amin'ny sehatry ny toe-karena,...

05 Novambra 2012

Politikam-Pifindramonina Frantsay Nodinihana Indray sy Nahitsy

Nilaza ny finiavany hanova ny politikam-pifindramonin'ny fireneny ny minisitra frantsay misahana ny atitany, Manuel Valls, nandritra ny kabary nataony tao Toulouse, atsimo andrefan'i Frantsa. Mivaky toy izao ny navokan'ny haba-tserasera afrik53.com tao amin'ny lahatsoratra iray: Le ministre de l’Intérieur, Manuel Valls, a annoncé jeudi avoir envoyé aux préfets la circulaire modifiant...