Tantara mikasika ny Sendikà tamin'ny Jona, 2018
Amerika Latina :Ny Olan'ny Fampiasàna Ankizy – Andiany I
Zava-misy marina mampalahelo ny fampiasana ankizy ao Amerika Latina ary, matetika, efa tena zatra mahita izany ny mponina ao amin'ny firenentsika hany ka tsy manao na inona na inona intsony. Iza no tsy efa nampiasa ireo mpamafa kiraro na ankizy hiambina ny fiarany ? Nisy ny fanentanana maro sy fepera hafa ho fanovàna ny toe-draharaha misy. Ho fankalazàna ny Andro manerantany 2009 Hiadiana amin'ny fampiasàna ankizy ny 12 Jona, nivondrona ny mpikambana ao amin'ny rantsana latino-Amerikana ao amin'ny Global Voices hanoratra lahatsoratra sy hizara rohy maro mikasika ny zava-misy ao amin'ny fireneny misy azy avy ao amin'ity andiany voalohany ity
Andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy ao amin'ny bilaogy Toniziana
Ny 13 Aogositra Androm-pirenen'ny vehivavy ao Tonizia. Naparitaka tao amin'ny tontolon'ny bilaogy ny antso mba hiarahana amin'ny fankalazana miaraka amin'izao tontolo izao ny 8 Martsa.
Tonizia: Antso handinihana ny Etikasan'ny asa amin'ny Fetin'ny Asa
Manamarika ny fetin'ny asa manerantany ny 1 Mey ary nanararaotra izany ireo bilaogera Toniziana mba haneho hevitra momba ny zavatra iainan'ny mpiasa sy ny fahakamoan'izy ireo.